Pejy faneva

TOERAM-PIOMPIANA SONGHAÏ ETO MADAGASIKARA ATOLOTR’I TIFERHY sy THEO

Asehon’ny PEP’HITA DE MADAGASCAR antsika ny tetikasa mikasika ny rafitra mitambatra ao amin’ny toeram-piompiana Songhaï  izay namboarina tao  Bénin ary napetraka teto  Madagasikara tamin’ny alalan’i Tiferhy RABESAOTRA sy Théo ROBLOT. Songhaï, izay anaran’ny fanjakana matanjaka afrikanina iray,  dia hevitra niforona ho fanamboarana toeram-piompiana mahaleotena 100% . Ny fako avy amin’ny sehatra iray no manjary ho akora fototry ny hafa, tsy misy n’inon’inona very, ary izany dia mampisondrotra ny vokatra azo. Ny toeram-piompiana  Songhaï dia mikasa ny ho fiovana ho an’i Afrika! Niofana enim-bolana tany  tao amin’io toeram-piompiana io ary niverina teto Madagasikara niaraka tamin’i Théo mba hametraka ny rafitra mitmbatra aty amin’ny ambanivohitra malagasy.

Tetikasa feno nofinofy sy  manana ho avy mamiratra !

wpChatIcon