Mampahafantatra antsika zava-mamiratra vaovao ny PEP’HITA DE MADAGASCAR , tsy inona izany fa MARODIA, manana ny foibeny eto Tana fa ny mpanorina azy kosa, i Anita, startup tanora iray , dia avy any Nosy Be.
Entinay mitsangatsangana kely any avaratr’i Madagasikara ianao, any amin’ity nosy kely misarim-paradisa izay ahafahan’ny mpandraharaha misehatra tsara ihany koa.
Startup tanora ny Marodia nefa efa manana faniriana lehibe sahady ! Hahatonga ny Malagasy ho afaka hitsidika ireo toerana ankafizin’ny mpizahatany vahiny izay mampalahelo fa lafo loatra ho an’ny fahefa-mividy eto an-toerana… Etsy andanin’izany, amin’ny fomba maharitra, dia miasa ho an’ny tontolo iainana izy ireo, amin’ny fiezahana hampihena ny marika momba ny fiarovana ny tontolo iainana, amin’ny fanonerana ny karbônina. Famatsiam-bola ny fandaharan’asa amin’ny fambolena honko indray no atao amin’izany . Miaraka amin’izay, i Anita dia tovovavy malagasy vonona hanao fanamby lehibe ary hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny famoronana asa! Ny tanora afrikanina mihitsy aza no soloiny tena, noho ireo nofinofiny tsy mijanona eto Madagasikara fotsiny ihany fa mandeha lavitra: manerana ny kaontinanta manontolo !
PEP’HITA DE MADAGASCAR dia manainga anao hijery izany amin’ity horonan-tsary ity