Pejy faneva

NENIBE MASOANDRO ETO MADAGASIKARA_mpandraharaha vehivavy

PEP’HITA DE MADAGASCAR dia hitondra ho antsika tetikasa ho an’ny mpandraharaha vehivavy.

💎 Mampiditra herinaratra any amin’ireo tanana mitoka-monina amin’ny alalan’ny fanofanana renibe ho tonga injeniora amin’ny sehatry ny masoandro ! ☀️ Barefoot College Madagascar 🇲🇬, amin’ny fanohizana ny asa ataon’ny Barefoot College International izay manana ny foibeny any Inde 🇮🇳,  dia nanokatra vao haingana ny ivon-toerana fanofanana  mba handraisana “nenibe masoandro”12 👩🏾‍🔧 amin’ny volana jolay hatramin’ny desambra . Aorian’ny fiofanana dia miverina any amin’ny tananany izy ireo, mitondra ny hazavana 💡, ary koa fianarana hafa  manan-danja ho an’ny fampandrosoana ny fiainany.

wpChatIcon