Lalao amin’ny horonan-tsary vita eto Madagasikara, misy ve izany?Misy tokoa ! Sady tsara an !
Lomay, izay namokatra ny lalao amin’ny horonan-tsary DAHALO nivoaka ny 30 novambra 2019, dia orinasa misehatra amin’ny fampandrosoana sy ny famirapiratan’i Madagasikara. Ankoatry ny maha lalao ambony karazana azy, dia lalao manana andraikitra amin’ny fampiroboroboana an’i Madagasikara, ny tantarany, ny fomban-drazana sy ny kolontsaina misy eo aminy izy ity. Ao anatin’ity lalao vao navoakany ity, dia afaka mahalala bebe kokoa momba ny olana misy amin’ny Dahalo any atsimon’ny Nosy ianao, ireo mpangalatra omby izay tsy miahotra ny hamono…Mbola eo amin’ny fanombohany ity sehatr’asa ity, nefa hatramin’ny nanombohany tamin’ny 2014, dia namiratra indrindra izy ireo tamin’ny nandrombahany ny fifaninanana nokarakarain’ny Facebook tao Kenya tamin’ny 2018!
PEP’HITA DE MADAGASCAR dia manainga anao hahalala bebe kokoa amin’ny fijerena ity horonan-tsary ity.