Amin’ny maha solontena ofisialin’i Soisa azy, ny Masoivoho dia manao hetsika isan-karazany mandrakotra ny sehatra rehetra momba ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’ny governemanta roa tonta. Izy io dia maneho ny tombontsoan’i Soisa amin’ny lafiny politika, toekarena, fitantanam-bola, lalàna, siansa, fanabeazana ary kolontsaina.
Efa hatramin’ny ela ny fifandraisan’ny roa tonta dia i Madagasikara sy Soisa. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny sampandraharaha ara-toekarena, sosialy ary kolontsaina, indrindra amin’ny alalan’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana. Hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantenan’ny firenena tamin’ny taona 1960, nanangana fandaharan’asa fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana maro i Soisa, anisan’izany ny any ambanivohitra.