Pejy faneva

SOLIDIS (MG)

NY VISINA:
Ny SOLIDIS dia maniry ny ho tondro voalohany amin’ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola ho an’ny toekarena, ary indrindra ireo orinasa eto Madagasikara. Miorina amin’ny fihainoana sy fifampitokisana, tianay ny hanorina fiaraha-miasa matanjaka sy maharitra amin’ny mpanjifanay. Amin’izany lafiny izany, dia maniry ny hanome azy ireo fanohanana tsy miova amin’ny fomba tompon’andraikitra amin’ny vokatra izay mahafeno ny filany sy miantoka serivisy tsara ho an’ny fahafaham-pony tanteraka.
Noho ny maodely mitambatra, dia manolo-tena amin’ny andrim-panjakana mpampindram-bola mpiara-miombon’antoka izahay mba ho mpanelanelana sy mpanentana tsara indrindra amin’ny lafiny famatsiam-bola amin’ny fizarana ny loza ateraky ny fampindramam-bola omena.
Amin’ny iraka ataony amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena maharitra, ny SOLIDIS dia mikatsaka fampiasam-bola isan-karazany amin’ny sehatra fitomboana samihafa izay manome ny mety indrindra amin’ny fitomboan’ny tombom-barotra.

NY soatoavinay:
– MIHAINOA
– FANOLORAN-TENA
– PROFESIONALISME

NY Iraka:
Amin’ny maha mpiara-miombon’antoka azo itokisana, SOLIDIS dia mikendry ny hanome antoka sy
famatsiam-bola natao ho an’ny orinasa manana tetikasa azo itokisana, mitarika amin’ny fitomboana
ny asa ataony ary koa ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara.

wpChatIcon