Ny Off-Grid Market Development Fund (OMDF) dia manome famatsiam-bola ho an’ireo orinasa tsy miankina sy andrim-panjakana miasa amin’ny fizarana ireo vokatra azo avy amin’ny masoandro (produits pico sy rafitra an-trano avy amin’ny masoandro) izay mikendry ny hanafaingana ny fahazoana herinaratra maharitra eto Madagasikara.
Ny OMDF dia manome famatsiam-bola ho an’ny mpaninjara isaky ny vokatra avy amin’ny masoandro mahafeno fepetra nozaraina ary koa crédit ho an’ireo mpilalao tsena isan-karazany mila renivola miasa, na famatsiam-bola omena ny mpanjifa amin’ny fahazoana vokatra avy amin’ny masoandro.
Ny OMDF dia singa iray ao anatin’ny tetikasa LEAD (“Tetikasa fampandrosoana ny fidirana amin’ny herinaratra ambany indrindra”), naorin’ny Governemanta Malagasy, nankinina tamin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny hydrocarbon (MEH) ary novatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Ny OMDF dia mitentina 40,000,000 dolara.
Voatendry ho mpitantana ny tahirim-bola OMDF ny Bamboo Capital Partners ary miara-miasa amin’ny Société Générale Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny iraka ataony.
Hifarana amin’ny 30 jona 2024 ny fandaharana OMDF.