Pejy faneva

ISA Agribusiness (MG)

Ny ISA Agribusiness dia orinasa malagasy izay manana ny iraka lehibe indrindra dia ny hampiroborobo, hanatontosa ary hanohana ny tetikasa fambolena maharitra, fampiasam-bola amin’ny fambolena ary fampandrosoana ambanivohitra eto Madagasikara.
Noho ny iraka ataony dia miditra an-tsehatra ny ISA Agribusiness manaraka ny hetsika fampiroboroboana ny fampiasam-bola ataon’ny EDBM, amin’ny fanatanterahana ny tetikasa eo amin’ny sehatry ny fambolena. Ny fanohanany ny mpanentana ny tetikasa dia mahakasika indrindra ny fanampiana amin’ny fametrahana tetikasa, fametrahana fifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka stratejika sy miasa ilaina amin’ny fampiharana, fanaraha-maso ny fampiharana sy ny fanatanterahana, sns.
Ny ISA Agribusiness dia mizara amin’ny EDBM ny vinan’ny fampandrosoana tena ilaina amin’ny agribusiness eto Madagasikara, amin’ny alàlan’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola amin’ity sehatra ity miaraka amin’ny fanampiana matihanina amin’ny mpanentana ny tetikasa mandritra ny famolavolana sy ny fampiharana, antoka ny fahombiazan’izy ireo.

wpChatIcon