Pejy faneva

Momba ny e-toolia

Ny tranokala etoolia.edbm.mg dia tafiditra ao anatin’ireo tetikasa famoronana ny tontolo nomerikan’ny EDBM.

Ny konfederasiôna Soisa, soloin’ny Departemanta Federalin’ny Raharaham-bahiny sy ny Masoivohon’i Soisa eto Madagasikara tena, dia nanolotra famatsiam-bola ho an’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ho fametrahana ny sehatra ara-tserasera ho fanampiana ireo startups sy ireo PME eto Madagasikara. Ity « rafitra fanampiana ara-tseratsera » ity izay natao hanomezana vahaolana ho an’ireo mpandraharaha mba hahafahan’izy ireo hiroso amin’ny tsaratsara kokoa amin’ny asa ataony ary hanamora ny fitadiavany famatsiam-bola.

Miaraka amin’ny fanampian’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, manambatra fitaovana marobe ny E-TOOLIA ary manolotra fanazavana maro ho an’ny mpandraharaha , ao anatin’izany ny: tetiandro mikasika ny hetsika, fiofanana, fitaovana sns… manamora ny fahazoana sy ny fitadiavana famatsiam-bola, manamora ny fahitana ny tetikasa iray, ahitana mpanofana afaka manome torohevitra araka izay ilaina, ary endri-javatra maro hafa afaka jerena…