Raketo an-tsaina ary araho fotsiny ihany ireto fitsipika ireto:
Tafiditra amin’izany ny tanjon’ny tetikasa, ny zavatra andrasan’ny mpanjifa, ny teti-bola natokana ho amin’izany, ny mpiasa sy ny fitaovana tokony hahetsika, ny loza sy ny tranga samihafa azo eritreretina, ny safidy rehetra mahakasika azy ary ny dingana isan-karazany amin’ny tetikasa.
Makà fotoana tsy tapaka hanaovana fivoriana fohy miaraka amin’ny ekipa, ary koa fotoana hanaovana “team building”. Ahafahanao mandinika ny lanjan’ny andraikitra ataolotra arakaraka ny fahaiza-manaon’ny ekipa koa izany.
Ataovy izay hametrahana fampahafantarana mazava amin’ny mpanjifa, isaky ny dingana vita. Amin’ny vokatra farany, aoka ho hentitra ianao amin’ny fanaraha-maso ny kalitao. Farany, ny tetikasa vita dia ilàna fijerena fanindroany miaraka amin’ny ekipa.Noho izany, tsy azo tsinotsinoavina ny lanjan’ny tatitra farany amin’ny tetikasa.