Pejy faneva

Ny tombotsoa anatiny sy ivelan’ny orinasa mitana ny fahamarinana

 

Rehefa manana fomba fiasa maneho tsy fivadihana ianao, dia mahazo tombony amin’ny sehatry ny fiarovana sy ny sehatry ny fandaminana.

Azo antoka ny faharetan’ny orinasa izay manome lanja ny fahamarinana. Mahatonga azy hanana toerana azo antoka eo imason’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola, ny mpanjifa ary ny mpamatsy entana izany. Ankoatra izany, hizotra tsara ny fiainan’ny orinasa satria lavitry ny fomba mampiahiahy, afaka mampiasa ny loharanom-bolany amin’ny fomba mahomby kokoa izy.

Ny tsy fivadihana no miantoka ny fahatokisana ao amin’ny orinasa amin’ny ankapobeny.Ahafahana mitahiry ny famokarana tsara kokoa amin’ny asa izany satria mahafantatra tsara my mpiasa fa tsy ho zava-poana no hiasany.Ambonin’izany, mangarahara ny fandeham-bola, tsy atahorana ny hisian’ny fanoherana eo anivon’ny mpiasa. Ankoatr’izay, rehefa misy ny fifampitokisana, mora kokoa ny mifandray na ao anatiny na eny ivelany.
Raha fintinina, ny orinasa maneho tsy fivadihana dia orinasa mahomby. Amin’ny fisafidianana hampihatra politika mangarahara, mampifanaraka ny soatoaviny amin’ny tanjona kendreny sy ny fomba ampiasainy hahatongavana amin’izany izy. Aoka ho tsaroana mandrakariva fa ny asa no maneho ny soatoavina tian’ny orinasa iray avoitra.

Ireo mpiara-miombon'antoka aminay
wpChatIcon