Iza no mpandraharaha tsy te hampivelatra ny tontolony raha fifandraisana arak’asa no resahina? Mampiasà fomba mahomby mba hampamirapiratra anao amin’izany.
Tsy mitondra soa ho an’ny mpandraharaha ny fitoerana irery raha fanatanterahana asa no asian-teny.Ny fidirana an-tambazotra dia tsy midika ho fiankinan-doha na fahalemena. Rehefa miserasera ianao, dia sady mianatra no mpampita.
Misafidy ny olona hifandraisany ny mpandraharaha. Tandremo, tsy hoe hihevi-tena ho ambony akory! Midika fotsiny izany fa mila mahalala vaovao tsy tapaka mikasika ny lazan’ny olona mifandray aminao ianao. Mora ho an’ny olona ny mitsara ny orinasa ho azo antoka arakaraka ny mpiara-miombon’ antoka aminy.
Ankoatry ny maha-matihanina, manorena fifandraisana maharitra. Miezaha mafy mba hametrahana fifampitokisana eo aminao sy ny olona izay mihaona aminao.Au-delà du professionnalisme, cherchez à créer des relations durables. Démenez-vous afin d’instaurer une confiance entre vous et chacun des personnes que vous approchez.Saino kokoa izay zavatra ambony noho ny fahazoana tsenam-barotra.
Tsy fitsipika fotsiny izay fandre matetika. Rehefa manampy ny mpifandray aminao azo itokisana ianao, dia miantoka ihany koa ny faharetana’ny orinasanao.Fifanampiana izany.