Pejy faneva

Ahoana no ametrahana paik’ady ara-haivarotra mahomby

Mba hamolavolana paik’ady ara-haivarotra mahomby, raketo an-soratra ireto dingana 3 manaraka ireto :
– Voalohany, ilaina ny manao famakafakana ara-barotra
– Faharoa, mamaritra ireo tsena kendrena
– Fahatelo, mametraka drafitra ara-haivarotra

1) Ahoana no anaovana famakafakana ara-barotra ?
Ny famakafakana ara-barotra dia hahafahan’ny mpandraharaha mandray fanapahan-kevitra ara-haivarotra tsara kokoa ka hialana amin’ny fanaovana hadisoana mety hovidian-dafo ho an’ny orinasa.Hahafahana mamantatra kokoa ny mpanjifanao koa izany.

Amin’izany, mila manao fanadihadiana eny anivon’ny mpanjifanao ianao hahafantarana ny fahafaham-pon’izy ireo, ary koa hahazoana vaovao mikasika ny tanjaka sy ny fahalemenao :
• Mametraka tanjona mazava, mamaritra ny fanazavana tianao ho azo amin’ny fanadihadiana.
• Mamaritra ny taham-pahafaham-po ankapobeny alohan’ny idirana amin’ny andinindinin’ny fanadihadiana.Izany hoe tsy mametraka fanontaniana amin’ny antsipiriany kokoa eny am-panombohan’ny fandadihadiana, atombohy amin’ny hoe « tiany ve sa tsia ny orinasanao ? »
• Manao fanadihadiana fohy sy tsotra. Tsy tokony hihoatra ny 7 minitra ny fanadihadiana ary tokony ho azon’ny olona rehetra.
• Asio fetra ny fanontaniana mba hahafahan’ny mpamaly haneho hevitra ary hialana amin’ny valiny maro mitovy.
• Manao fanadihadiana amin’ny fotoana miverimberina na isan-kerinandro mihitsy aza eny amin’ny mpanjifa samy hafa ka atao in-1 mandeha na in-2 isan-taona izany ho an’ny mpanjifa tsirairay.

2) Ahoana no hamaritana ny tsena kendrenao ?
Ity dingana faharoa ity dia hahafahanao mifidy ny mpanjifa tianao homena tolotra, hahafantaranao ny mpanjifa tsara indrindra ary handaminanao ny ezaka atao hahazoana tombony.
Ireto misy dingana 3 arahina hamaritana ny tsena kendrena :
• Mamantatra ny mpanjifa mahatoky aminny vokatrao,hahafantaranao hoe mpanjifa toy ny ahoana no tsara kendrena. .
• Mamaritra izay mampavitrika ny mpanjifanao amin’ny fanangonana ny vaovao mikasika azy ireo sy ny filàny ohatra amin’ny fomba fividianany, ny toetoetra ara-piaraha-monina, ny soatoaviny ara-tsosialy,ny fahazarany amin’ny fanjifana ara-tserasera,sns.
• Mikendry sokajina mpanjifa 1 na 2 izay zatra sy mankafy ny vokatra na ny tolotra omeano, amin’ny fanokanana fotoana bebe kokoa sy ezaka ara-haivarotra mba hahazoana io sokajy io.

3) Ahoana no hanatanterahana ny drafitra ara-haivarotrao ?
Ny drafitra ara-haivarotra dia hahafahanao mankany amin’ny tanjona kendrenao. Hahafahanao miala amin’ny mety hivarotanao ny vokatrao amin’ny vidiny ambany noho ny lanja tokony omena azy koa izany.
Mba hametrahana ny drafitra ara-haivarotra ataonao, ilainao ireto singa 5 manaraka ireto :
• Famakafakana THFL (Tanjaka-Halemena-Fahafahana-Loza)
Tanjaka = ny toerana misy anao ao amin’ny tsena, ny tombony anananao mihoatra amin’ireo mpifaninana
Fahalemena = ny fahaizanao mihoatra amin’ireo mpifaninana aminao ary koa ny anton-javatra mety hampihena izany
Fahafahana = ireo varavarana misokatra mety hitondra anjara biriky amin’ny fidiram-bolan’ny orinasano
Loza = ireo sakana amin’ny fidiran’ny tsenam-barotra fototra
• Ny fanehoana ny tsena kendrena ka ao anatin’izany :
– Ny antontan’isa ara-piaraha-monina fototra maneho ny endriky ny mpanjifanao
– Ny tombana mahakasika ny tinady amin’ny vokatrao sy ny tolotra omenao
– Ny fahavitrihan’ny mpanjifa hividy
• Un objectif de marketing précis qui doit être atteignable et réaliste (votre part de marché, nombre totale de vos clients, etc.)
• Ny paik’ady ara-haivarotra mazava izay ahitana ny 4P (Vokatra-Vidy-Toerana-Fanentanana)
• Ny fanehoana tsotra ny tatitra ara-bolanao ka ao anatin’izany ny teti-bola sy ny vina ara-barotra ao amin’ny orinasanao.Afaka arafitrao izany amin’ny famaritanao ny:
– Ny vola miditra heverinao hotratrarina
– Ny vidin’entana nangatahina
– Ny sandan’ny famokarana sy ny tolotra
– Ny sarany fototra amin’ny fitrandrahana ka ampidirina ao ny vola lany amin’ny fampidirana mpiasa sy ny karama.

Ireo mpiara-miombon'antoka aminay
wpChatIcon