Pejy faneva

Ahoana no hivarotana amin’ny fotoana mandalo olana ?

Voasarika hampidina ny vola laniny ny PME amin’ny fotoana hisian’ny olana mba hahazoana fahombiazana, fotoana fohy ihany anefa izany. Tokony hojerena amin’ny antsipiriany ny haivarotra mandritra io fotoana io satria eo no tokony hampiasam-bola bebe kokoa. .

Ireto misy torohevitra mety hanampy anao hiatrika toe-javatra ara-toe-karena toy izany:
– Ahenao ny asa izay manome vokatra ratsy mba hialana amin’ny fandaniam-poana ary hanangonan-kery ho an’ny paik’ady ara-haivarotra hafa manan-danja.
– Amafiso ny paik’ady mikendry ny hamarotana bebe kokoa amin’ny mpanjifa misy mihoatra amin’ny fahazoana mpanjifa vaovao mety ho lafo kokoa(oh : tolotra manokana ho an’ny mpanjifa mahatoky).
– Ialao ny fifaninana ara-bidy ambany. Afaka manarina izany ianao amin’ny kalitaon’ny tolotra omenao, ny tolotra voatokana na koa fileferana hamaliana ny filàn’ny mpanjifa.
– Manaova fanatsarana ny fifandraisanao amin’ny mpanjifanao mba hisintonana azy hividy nef tsy hanohina azy ireo.
– Misehoa foana eny amin’ny tambazotra serasera .

Ireo mpiara-miombon'antoka aminay
wpChatIcon