Pejy faneva

Ahoana no isafidiananao ny marika amin’ny fomba mahomby

Voalohany, tsara ho fantatra fa ny marika dia manana lanjany lehibe amin’ny famoronan-karena matanjaka sy maharitra indrindra. Izany no maha laharam-pahamehana ho an’ny mpandraharaha ny fifidianana tsara ny marika entin’ny orinasany na ny vokatra atolony. Ankoatry ny sanda anampiny ny orinasanao, haneho ny maha-izy anao koa izy.

Fanontaniana 09 no mila dinihina mialohan’ny hidiranao amin’ny asa mifantoka amin’ny marika, izany hoe:
1. Marika , vokatra,sa tolotra ?
Ny anarana na famantarana ny vokatra na tolotra dia tsy mitovy amin’ny marika. Ny marika dia tokony mitondra sanda fanampiny tsy tapaka amin’ny fisafidianan’ny olona azy mihoatra noho ny hafa.
2. Maharitra ela ve ny marika ?

3. Vonona handany ohatrinona amin’ny marika ianao ?
Ny famoronana sy ny fikolokoloana ny marika dia mila vola be dia be mba hialana amin’ny fifaninanana.

4. Iza no ho masoivohon’ny marika ataonao ?
Izany hoe ny olona nanao fanentanana mikasika ny marika natolotrao.

5. Inona avy no vokatra avy amin’ny marika ao amin’ny orinasanao? Ho tombony sa ho sakana izy amin’ny fanomezan-danja ny orinasanao?

6. Marika manokana an’ny orinasano ve izy ity sa marika maromaro?
Izany hoe hanana marika manokana tsy idiran’ny hafa ianao sa hanana marika maromaro samihafa .

7. Fantatrao ve ny lanjan’ny marika ataonao?
Manana lanja kokoa ve izy? sa nihen-danja ? Inona no antony? Afaka jerenao amin’ny fikajiana ny tamberina amin’ny haivarotra izany.

8. Inona no toerana ananan’ny haivarotra sy ny fitantanana ny marika eo anivon’ny filankevim-pitantanana amin’ny orinasanao?

9. Tena nampiasainao tokoa ve ny teti-bola napetrakao ho an’ny marika?
Izany hoe tokony hisy firindrana amin’ny traikefa ankapobeny mahakasika ny marika, izay hampitombo ny renivola, raha tsy izany dia hitombo ny mety haharava na hahapotika ny fifandraisana.

Ireo mpiara-miombon'antoka aminay
wpChatIcon