Mila mirakitra ireto teboka 6 manaraka ireto ny mpandraharaha mba hisintonana mpanjifa tsara :
• Mijery ny fifandanjana eo amin’ny asa tsara indrindra sy ny famokarana fara-tampony, raha atao amin’ny teny hafa ny ekipanao dia tokony hiasa mafy hahazoana ny vokatra ambony indrindra.
• Fantaro ny mpanjifa tianao anaovana tolotra
• Ataovy izay hananan’ny mpanjifanao fahasahiana hiantso anao amin’ny fanazavana rehetra; ary kkoa mba hisintonana mpanjifa, afaka manao fanentanana ianao.
• Tokony hanome endrika tsara ho an’ny orinasanao ianao amin’ny alalan’ny fifandraisana ataonao( ny kolontsainao, ny soatoavinao, sns.)
• Ataovy izay hanomezan’ny mpanjifa lanjany ny vokatra atolotrao fa tsy ny vidin’ny vokatra na ny tolotra arosonao. Mila manome antony hananany fitokisana aminao ianao. (oh : fijoroana vavolombelona ataon’ny mpanjifa)
• Tokony havitrika ianao eny anivon’ny sehatra matihanina rehetra toy ny LinkedIn, na eny amin’ny toerana mety hisy ny mpanjifanao (Instagram, twitter, Facebook, …)