Pejy faneva

Ahoana no hidirana amin’ny tontolo maitso nefa tsy handaniam-bola : fehezo ny fanodinana

Mba hahatonga ny orinasanao ho matihanina amin’ny fanodinana, mila miara-mientana ny ekipa manontolo!Ny andraikitry ny tsirairay dia ny manentana ny namany sy ny mpiasany mba hanana fomba fiaina miaro kokoa ny tontolo iainana, izay manomboka amin’ny fiarahana amin’ny fiara tokana.Mba hanohanana sy hanentanana ny ekipa, afaka manao fifaninana ho an’ny mpanodina mendrika indrindra ohatra ny mpitarika ka manolotra loka amin’izany. Hevitra tsara ihany koa ny manantona tabilao maneho ny fivoaran’ny orinasa amin’ny politika fanodinana, ao amin’ny efitrano fivoriana , ohatra.
Na eny ivelan’ny orinasa aza, azo atao ny mamporisika ny fandraisana andraikitra anatiny mba hampiroboroboana ny fampiasana indray ireo fitaovana nariana na tsy miasa intsony ao amin’ny orinasa ary, araka izany, mampihena ny fandanindaniam-poana.

 

Mbola ao anatin’ny fampihenana ny fandanindaniam-poana ihany, tokony handinika ny fomba famokarany ny orinasa sy ny fandaniana ara-angovo sy amin’ny akora fototra. Ohatra, ho an’ny fanontana, izay tena ilaina ihany atonta amin’ny andaniny roa. Ho an’ny herinaratra, tokony hampatsiahy mikasika ny fampiasana ny bokotra« OFF » ao amin’ny toeram-piasana ny mpitarika.Toy izany koa amin’ny rano. Na izany aza, tokony hisy ny fepetra miaraka amin’izany mba hampaharitra ny fanodinana,toy ny fametrahana daba-pako misy fomba fanasokajiana.

Ireo mpiara-miombon'antoka aminay
wpChatIcon