Amporisihina tokoa mantsy ny fananganana ny orinasanao araka ny lalàna sy ny drafitra mahomby.
Fantaro izay ametrahanao ny tongotrao mba hialàna amin’ny olana azo fantarina mialoha.Ny tsara indrindra dia ny mandrafitra lisitra misy ny anontan-taratasy ara-panjakana ilaina( apetraka tsara ny fe-potoana), ny lamina ara-dalàna rehetra mahakasika ny fandehan’ny orinasanao.
Mazava ho azy fa rehefa tapa-kevitra hanangana orinasa ianao, dia nanao fanadihadiana. Na izany aza, aza mianina fotsiny amin’ny filazana azonao tamin’izany. Mivoatra vetivety ny tsena. Araka izay azonao atao, araho hatrany ny vaovao mahakasika ny ambaindain’ny toe-karena amin’ny sehatr’asa kendrenao, mba hialana amin’ny zavatra tsy ampoizina.
Araka ny lojikan-javatra mitovy amin’ny an’ny tsena, hadisoana ho anao ny mionona amin’ny fanomezan-toky ho famatsiam-bola ataon’ny mpampiasa vola iray. Manàna mandrakariva safidy maromaro. Mety hiovaova araka ny zava-misy ny filànao ara-bola, miankina amin’ny toe-draharaha ara-toe-karena ao amin’ny firenenao.
Ahitsio hatrany ny drafitra fandraharahana nataonao aorian’ny fipoiran’ny singa vaovao manan-danja.