Ny APEM na Association pour la Promotion de l’Entreprise à Madagascar dia fikambanana naorin’ireo orinasa mpikambana ao amin’ny Vondron’ny Orinasa eto Madagasikara ary voafehin’ny didy 60-133.
Ireto avy ny tanjony :
– Hampiroborobo ny fandraharahana sy hampivelatra orinasa bitika sy orinasa madinika eto Madagasikara
– Handray anjara amin’ny fampidinana ny fahantrana, indrindra amin’ny asa atao eo amin’ny sehatry ny fampindramam-bola madinika;
– Handray an-tanana ny asa fikarohana rehetra, handray anjara eo anivon’ireo fikambanana, rafitra ara-panjakana, na tambazotra mifandraika mivantana amin’ireo teboka roa voalaza ambony ireo.
Ny fampindramam-bola madinika sy ny fanofanana no asa fototra ataon’ny fikambanana.
Araka ny fangatahana misy, hisy ekipa manokana vonona hanao ny fanadihadiana ara-barotra sy fanefena ny rafitra fandraharahana ho an’ny orinasa iray amin’ny sehatr’asa rehetra.
Présidente: Madeleine RAMAHOLIMIHASO
+261 20 22 627 75
apem@moov.mg
Ny tanjon’ny antenimieran’ny varotra
– Hamaly ny filàna avy amin’ireo sampana mandafitra ny fiaraha-monina ara-barotra frantsay sy malagasy misy eto Madagasikara na koa ireo filàna voarakitra.
– Hanamafy ny fifandraisana eo amin’ireo mpikambana .
– Handray anjara amin’izy fomba azo atao, amin’ny sehatra afaka anaovany izany, amin’ny fiarovana n’aiza n’aiza , ny tombotsoa iombonan’ny mpikambana ao aminy, ary koa ny tombotsoa manokana mahakasika izany.
– Hampiroborobo ny fifanakalozan-kevitra, ny raharaham-barotra, ny fianarana, eo amin’i Madagasikara sy Frantsa ary Frantsa/Madagasikara.
– Eo amin’ny sehatry ny kolontsaina sy sosialy: hametraka ny fifanakalozana ara-pedagojia, komity fandraisana ho an’ireo vaovao, hijery ny zava-misy ara-tsosialy.
– Hampiaraka ny vondrona ara-barotra frantsay sy malagasy ao amin’ny tetikasa iray .
Président: André BEAUMONT
+261 20 22 633 12 ou +261 20 22 696 49
ccifm@ccifm.mg
Ny Chambre des Mines de Madagascar ( CMM) dia fikambanana tsy miankina noforonin’ireo orinasa mpanodina harena an-kibon’ny tany. Mivondrona amin’izany ireo orinasa misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany sy ireo orinasa miasa amin’ny sehatra manodidina an’izany.
Ny rantsana faratampony ao amin’ny Antenimieran’ny Harena an-kibon’ny tany dia ny Fivoriambe arafitr’ireo mpikambana ao aminy .Io fivoriambe io no mifidy isaky ny telo taona ny mpitantana hametraka ny tari-dalana stratéjikan’ny fikambanana. Ny Sekretaria Mpanatanteraka no miantoka ny fizotry ny fiaianana andavanandron’ny Antenimiera.
Ny maha mpikambana ao amin’ny Antenimiera dia midika fandraisana anjara amin’ny zavatra ataon’ny fikambanana. Ny orinaas mpikambana tsirairay dia tsy maintsy mirotsaka farahafahakeliny ho komity amin’ny sehatr’asa iray araka ny safidiny.
Président: Jean Luc MARQUETOUX
+261 32 11 261 85
cmm@mineschamber.mg
Ny FTM/CPM (Firaisankinan’ny Tantsaha eto Madagasikara/Coalition Paysanne de Madagascar) dia sehatra iray ho an’ny fikambanana’ny tantsaha, ny marimarina kokoa dia fivondronan’ireo fikambanan’ny tantsaha, natsangana tamin’ny novambra 2001, fehezin’ny didy 60.133 tamin’ny 03 Oktobra 1960 (Rosia laharana 16/02-MI/SPAT/ANT/ASS tamin’ny 14 Janoary 2002). Mampivondrona ireo hery velon’ny tantsaha izy io mba ho tonga mpisehatra afaka manaisotra ny olana mba hanafoanana ny fahantrana eny amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra, ny firaisan-kina ary ny fiaraha-miasa.
Ny FTM/CPM dia fikambanana tsy mitady vola, manao asa fampiroboroboana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy tantsaha, ny fifampiresahana ara-tsosialy amin’ny tantsaha sy ireo mpisehatra ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-bola ary ara-politika ka ny tanjona amin’izany dia ny hampiroborobo ny andraikitry ny tantsaha amin’ny dingana fampandrosoana ny eny ambanivohitra.
Ireto ny andraikitry ny FTM/CPM :
– mampiroborobo ny fidiran’ny tantsaha amin’ny sehatra ara-toe-karena sy ny sehatry ny matihanina
– misolo tena ny tantsaha eo amin’ireo ambaratonga mpanapa-kevitra mikasika ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra teo aloha
– mampivelatra ny zo sy ny tombotsoa fototry ny tantsaha.
Président: RANDRIANONY Louis Raymond
+261 34 09 818 08
cpm@moov.mg
Ambatoroka ( 20m avant PAM)
CPEJ, Ivontoerana ho an’ny asa sy ny tanora
Manolotra anao fiofanana mifandraika tanteraka amin’ny asa.
Ny kaonfederasion’ny fizahan-tany eto Madagasikara dia sehatra tsy miankina izay manana andraikitra fototra « HANAKAMBANA » ny asa, ny fikambanana momba ny fizahan-tany ka noho izany ho hery fantatra eo amin’ny sehatry ny indostria amin’ny ankapobeny eto Madagasikara.
Présidente: RAVELOSON Aina
+261 32 11 369 07
de@confederation-tourisme.mg
EFOI : Entreprendre au Féminin de l’Océan Indien dia tambazotra iray mampifandray ny mpandraharaha vehivavy manerana ny Ranomasimbe Indiana.
Tsy mora ny mandraharaha.
Vao maika sarotra ny mandraharaha raha vehivavy ianao .
Ny EFOI dia tambazotra matanjaka eto an-toerana sy any amin’ny faritra izay mampifandray ny vehivavy mpandraharaha mba hanorenana sy hanamboarana fiaraha-miombon’antoka matanjaka sy maharitra eo amin’izy ireo.
Noho ny fandraisan’andraikitra mavitrika avy amin’ny mpikambana, ankehitriny ny EFOI dia nahazo laza sy lanja hahafahany mahazo famatsiam-bola izay hanaovany fandraisana anjara efa ho maimaipoana amin’ny tsenabe, ny zaikabe, eto an-toerana na maneran-tany .
Ny fidirana ato aminay , dia fanekena hametraka ny lanjan’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fandraharahana.
Présidente: Emilie RAKOTONDRAINIVONONA
+261 34 03 269 25
efoimadagascar@gmail.com
Ny FCCIM dia rafitra ara-panjakana manana toetra matihanina (EPP), manana ny sata maha ara-dalàna azy sady mahaleotena ara-pitantanana sy ara-bola.
Ny asan’ny Federasiona dia ny hisolo tena sy hiaro ny tombotsoan’ny fikambanan’ny CCI sy ny sehatra tsy miankina eo anivon’ireo manampahefana malagasy, ireo fikambanana eto an-toerana, any amin’ny faritra na manerana izao tontolo izao, andraikiny ihany koa ny fanentanana, ny fandrindrana ny asan’ny CCI mifanaraka amin’ny tanjona nasionaly ho an’ny fampandrosoana.
Ireo ny asan’ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria :
– Mandrindra ny asan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ary mampifanaraka ny asany amin’ireo tanjona nasionaly ho an’ny fampandrosoana.
– Manentana amin’ny fanatanterahana ny tombotsoa iombonan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria roa na maromaro
– Misolo tena ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria amin’ireo fanjakana foibe raha ilaina izany.
– Manome ho an’ny fanjakana, araka ny fangatahany na araka ny nahim-pony, ny hevitra sy ny fanazavana mikasika ny olana ara-toe-karena sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena.
– Manamora ny fifandraisana eo amin’ny fanjakana foibe sy ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eo amin’ireo Fikambanana iraisam-pirenena mba ho tombotsoany.
– Misolo toerana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eo amin’ny Fikambanana samihafa.
– Manampy ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria tra-pahasahiranana
Présidente: Mme Viviane DEWA
+261 20 22 213 22
federationcci@gmail.com
Ny kônfederasiona FEKRITAMA (Fivondronamben’ ny Tantsaha Malagasy ou Madagascar farmers confédération) dia misy fivondronana 12 sy fikambanana tantsaha 22 avy any amin’ny faritra. Ny FEKRITAMA izay rafitry ny Tranoben’ny Tantsaha na Chambre d’Agriculture de Madagascar ary koa ny SEKRIMA.
Ny fanamby sy ny tanjona kendren’ny kônfederasiona FEKRITAMA dia mitana ny foto-pisainana kristianina izay miaro ny fahamarinana, ny firalahiana, ny fifanampiana ary ny fandeferana. Ny FEKRITAMA dia miantso ny tantsaha hanaja ny zon’olombelona ho fanovana ny olombelona mba hitandroana ny fahamarinana sy ny fitokisana eo amin’ny asan’izy ireo.
Mitondra fivoarana ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-pahasalamana izy ho an’ny firindran’ny fiainam-pianakaviana.
Président: RAKOTONDRANAIVO Ernest
+261 34 12 102 21
fekritama.mg@fekritama.mg
Lot IVM 7 Ambodivona Antananarivo
Federasion’ny Mpisehatra amin’ny trano fandraisam-bahiny sy ny trano fisakafoanana Malagasy .
17 taona niasana ary manana mpikambana 306, voasolo tena ao amin’ny FHORM ny asa matihanina ataon’ny sehatra tsy miankina – Ny FHORM – amin’ny alalan’ny biraony na ny filan-kevi-pitantanany – dia mandray anjara amin’ny filàn’ny fampandrosoana sy ny fitadiavana lalam-barotra ho an’ny sehatry ny Fandraisam-bahiny sy ny fisakafoanana , na eo amin’ny lafiny fifaninanana izany , na ny fiarovana ny mpikambana ao aminy, na koa amin’ny lafiny fampandrosoana ankapobeny io sehatr’asa io ary ny fampahafantarana an’i Madagasikara
Présidente: PLESS Johan
+261 34 22 246 90
fhorm@moov.mg
Manohana ny mpamboly amin’ny fampiroboroboana ny asa ho fanatsarana ny vokatra sy ny loharanom-bola ho an’ny mpikambana ao aminy amin’ny fanomezana fanampiana aorian’ny fiotazana sy ho fivarotana ny vokatry ny fambolena ny Fikambanana Fampivoaranan’ny Tantsaha na Fifata
Président: Roland Rakotovao
+261 20 44 916 08
fi.fa.ta@gmail.com
Ny FIVMPAMA na Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (Groupement du Patronat Malagasy), dia fikambanana fehezin’ny didy 60.133 tamin’ny 03 Oktobra 1960, natsangana tamin’ny 1972 ary mamondrona orinasa 400 mizarazara manerana ny nosy , tafiditra anaty sokajin’ny PMEs/PMIs. Ny tanjony dia ny hampiroborobo ny fandraisana anjara mavitriky ny mpikambana ao aminy amin’ny fiainana ara-toe-karena sy ara-tsosialy. Araka izany, ny anjara asan’ny fikambanana dia (i) hikaroka sy hiaro ny zon’ny sehatra tsy miankina eran’ny nosy , (ii) hanohana sy hanampy ireo asa rehetra ho an’ny fampiroboroboana ny orinasa tsy miankina eran’ny nosy , (iii) hitondra ny fandraisana anjara mavitriky ny mponina ary handray anjara ho fampiasana ireo hery manerana ny nosy efa misy amin’ny tsaratsara kokoa eo anivon’ireo sehatra rehetra ara-ekonomika, (iv) hampiroborobo ny fifandraisana amin’ireo samy mpandraharaha nasionaly , fifandraisana mifototra amin’ny firaisan-kina sy ny fifampatokisana ao amin’ny sehatry ny toe-karena tsy miankina, (v) handray ny asan’ny mpanoro hevitra ireo manampahefana sy ireo mpanapa-kevitra hafa mahakasika ny fametrahana ny fepetra sy ny politika ho an’ny fampandrosoana ara-toe-karena sy ara-tsosialy.
Président: RAZAFIARISON Andrianavalomanana
+261 34 08 645 10
contact@fivmpama.mg
Fikambanan’ny Vehivavy Tantsaha Malagasy na FVTM dia fikambanan’ny vehivavy avy any ambanivohitra ao amin’ny faritra 16 eto Madagasikara ary manana tanjona hiady amin’ny fahantrana amin’ny sehatra rehetra
Présidente: Razafindrasoa Hélène
+261 33 09 435 88
fvtm@moov.mg
Natsangana tamin’ny 1994, Ny Fikambanan’ny Mpiompy trondro sy Mpanjono makamba eto Madagasikara na GAPCM dia fikambanana mampisongadina ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpikambana ao aminy ho an’ny fomba fitantanana ny sehatr’asa makamba voalanjalanja ary ho fiarovana ny tombotsoa iombonana.
Président: Claude BRUNOT
+261 20 22 628 29
gapcm.sg@blueline.mg
Villa Maria Lot VA 20 B E Tsiadana
Fikambanana fehezin’ny lalàna 2003 – 044 tamin’ny 28 jolay 2004, ny GEFP dia manana mpikambana mavitrika 82 ka 69 amin’izany dia orinasa afa-kaba ary 13 mpiara-miombon’antoka . Natsangana mba hamporisihina ny fananganana indostria mikendry ny hampisondrotra ny toe-karena malagasy, ny rafitry ny Faritra sy ny Orinasa Afa-kaba dia nahafahan’i Madagasikara nahazo foibem-pamokarana izay nanana fivoarana haingana sy mahomby nanomboka tamin’ny taona 1990.
Président: Hery Lanto RAKOTOARISOA
+261 20 22 380 50 ou +261 20 22 22 363 32
gefpmg@moov.mg; gefpmg@blueline.mg
Ny Fikambanan’ny Mpanondrana Jirofo sy hanitra sakafo hafa eto Madagasikara izay manana mpikambana mihoatra ny zato amin’izao fotoana izao no miantoka ny 95%n’ny fanondranana hanitra sakafo ka ao anatin’izany ny jirofo avy eto Madagasikara.
Président: Jean-Luc DAMA
Ny fikambanan’ny Mpanondrana Menaka hanitra eto Madagasikara dia misehatra amin’ny : famahana ny olana ara-panjakana, ny fampandrosoana ny seha-pihariana amin’ny alalan’ireo fiaraha-miombon’antoka amin’ny fanjakana ny ny sehatra tsy miankina, ny fanamorana ny fahazoana vaovao momba ny seha-pihariana, ny fandraisana anjara amin’ny fikarohana tsena vaovao ary ny fambolen-kazo.
Président: RAKOTOSON Nirina Olivier
info@gehemgie.com
Ny Vondron’ny Orinasa eto Madagasikara (GEM) no nanolo ny Vondron’ny Orinasa tsy miankina eto Madagasikara (GEPRIM), niforona tamin’ny 1972 ary izy io koa dia vokatry ny fanovana ny Fikambanan’ny Sendikà momba ny tombotsoa ara-toekarena eto Madagasikara(USIEM) niforona tamin’ny 1946.
Ireto avy ny andraikitra maharitry ny GEM :
– mamaritra, mametraka ary mampahafantatra ny politika fampandrosoana ny orinasa, na inona na inona no sata ara-dalàna misy azy ireo sy ny habeny, ho an’ny tombotsoa iombonana, ho an’ireo izay miasa ao, ho an’ny mpampiasa vola sy ny mpanjifa ;
– mampanjaka ny fepetra ankapobeny momba ny fahombiazana sy ny fahafahana mety indrindra amin’izany ;
– mitarika ny mpikambana ho amin’ny asa miaraka mba hampanjaka ny fivoarana ara-toe-karena sy ara-tsosialin’ny firenena.
Président: Thierry-Marie H. RAJAONA
+261 20 22 238 41
gem@iris.mg
Ny GFEM na Vondron’ny Vehivavy Mpandraharaha eto Madagasikara dia vondrona nitsangana amin’ny satan’ny fikambanana niforona tamin’ny 2016, ary mikendry ny hampiroborobo ny fandraharahana ataon’ny vehivavy eto Madagasikara . (fikambanana 12 /faritra 6)
Présidente: Fanja RAZAKABOANA
+261 20 22 215 13
contact.gfem@gmail.com
Nitsangana tamin’ny alalan’ny Fivoariamben’ny fanorenana natao ny 12 septambra 2002, GO TO MADAGASCAR dia manambatra ireo matihanina fata-daza amin’ny asany, tsy ankanavaka, mpisehatra amin’ny fampiroboroboana ny fizahan-tany eto Madagasikara.
Président: Davy Marechal
+261 20 22 636 61
go2mada@gmail.com; info@go2mada.com
GOTICOM na « Vondron’ny mpandraharaha amin’ny Teknolojian’ny fifandraisana sy ny fampitam-baovao » dia fikambanana tsy miankina nitsangana tamin’ny 2000 mba hamporisihana eto Madagasikara ho amin’ny sehatr’asa momba ny teknolojian’ny fifandraisana sy ny fampitam-baovao.
Président: Jean Luc RAJAONA
+261 20 22 693 62
secretariat@goticom.org.mg
Ny Fikambanana ONTM na ny Birao Nasionalin’ny Fizahan-tany eto Madagasikara ia Fikambanana miasa ho an’ny daholobe araka ny didim-panjakana laharana 2004-863 mba ho fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo matihanin’ny fizahan-tany, fanatsarana ny fahitana toerana ho an’ny besinimaro ary hanamafy ny fahaiza-manao sy ny andraikitry ny ONTM amin’ny maha sehatry ny fifanakalozan-kevitry ny sehatra tsy miankina sy ny ara-panjakana azy.
Ny’ONTM dia tsy manao politika, mahaleo tena ary misokatra amin’ny fikambanana miasa ho an’ny fampiroboroboana ny tanjona ary hiarovana ny tontolo iainana voajanahary sy ara-tsosialy ary ara-kolotsaina .
Président: Narijao Boda
+261 20 22 661 15
ontm@moov.mg
Lot IBG 29C Antsahavola
Te hampahafantatra ny vaovao mahakasika ny politikan’ny fambolena ny sendikan’ny fikambanana ara-pambolena.
Présidente: RAZAFIMBOLOLONA Angeline
+261 20 24 367 91
reseausoa@orange.mg
II N 94 AE Analamahitsy (En face JIRAMA)
Nitsangana efa mihoatry ny 40 taona izao, ny Sendikan’ny Mpandaharaha misehatra amin’ny Fanangan-trano sy ny Asam-panjakana dia fikambanana matihanina mikendry ny fiarovana ny tombotsoa iraisana ao amin’ny asan’ny fananganan-trano.
Président: Hary Andriantefihasina
+261 20 22 323 48
LOT I A 58 Ampatsakana
Niforona tamin’ny 1958, ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara « SIM » dia fikambanana tsy itadiavam-bola mikendry ny famakafakana, ny fiarovana ny zo sy ny fiarovana ny tombotsoa arak’asa, ara-toe-karena , ara-bola, ara-barotra ary ara-tsosialin’ny indostria sy ireo asa izay mifandray aminy ary manana ny adiresy foibeny eto Madagasikara.
Mampivondrona mpikambana 88 miparitaka amin’ny sampan’asa 10, ny SIM dia manana fisoloantena lehibe.
Ireto ny tombotsoa azonao mpikambana ao amin’ny SIM :
Torohevitra, torolalana, fanomezana mandrakariva ary amin’ny fotoana marina ny vaovao mikasika ny zava-misy momba ny lalàna sy ny hetra, ny tontolon’ny fandraharahana, ny varavarana misokatra amin’ny raharaham-barotra, ny hetsika mety hiseho, ny fanofanana, ary ny vaovao hafa rehetra mahaliana eo amin’ny tontolon’ny raharaham-barotra.
Fikarakarana sy fanaraha-maso ny fangatahana ataonao eny anivon’ny ambaratongam-panjakana sy ny biraom-panjakana.
Sehatra fifanakalozana amin’ireo orinasa any amin’ny fikambanana mpanelanelana any amin’ny faritra ka mpiara-miombon’antoka amin’ny SIM.
Président: Amiraly HASSIM
+261 34 07 240 07 ou +261 34 07 240 08
syndusmad@sim.mg
Immeuble PREMIUM, 3ème étage Akorondrano (Ex-village des jeux)
Ny Sendika Malagasin’ny Fambolena ara-Biolojika SYMABIO dia niforona tamin’ny martsa 2011 avy amin’ny hevitry ny mpandraharaha tonga saina amin’ny fanamby entin’io sehatr’asa io eo amin’ny lafiny ara-toe-karena, ara-tsosialy ary amin’ny lafiny tontolo iainana ary ny filàna amin’ny fanovana ho vondrona mba hanairana ny sain’ny besinimaro sy ny manampahefana amin’ny fampiroboroboana ny fambolena biolojika.
Ny sendika dia manana mpikambana telopolo izay misehatra amin’ny seha-pihariana voajanahary ary manana fanamarinana mikasika ny vokatra biolojika vokarin’izy ireo. Misy mpamokatra miara-miombon’antoka miisa 5000 eo ny tambazotra eny amin’ny tontolo ambanivohitra izay misy amin’ny faritra samihafa eran’i Madagasikara. Ny asa fiotazana dia anisan’ny loharanom-bola ihany koa ho an’ireo olona marobe any amin’ny tanàna voasokajy ho faritra BIO
Président: Gaëtan ETANCELIN
+261 34 11 302 21
symabio@gmail.com
Lot IIK 39 Bis – Ankadivato
Ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra na TTM dia Rafitra mikendry ny fanatsarana ny fari-piainan’ny Tantsaha sy ny fampiroboroboana ny famokarana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra.
Ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra na TTM dia manana ireto tanjona ireto:
Fanatsarana ny farim-piainan’ny Mpamokatra, fampiroboroboana ny famokarana sy fanamafisana ny fikambanana Mpamokatra.
Présidente: RAZAFIMBOLOLONA Angeline
contact@tranobenytantsaha.mg
Bâtiment ex-Microhydraulique Nanisana