Ny OIF dia mikarakara ny 11 hatramin’ny 20 oktobra 2021, miaraka amin’ireo manampahefana avy ao Vietnam sy Cambodge, ary koa ireo mpiara-miombon’antoka sy mpisehatra ara-teknika, iraka ara-toe-karena sy ara-barotra izay misy dingana telo :
1. HÔ CHI MINH-VILLE, 11-13 oktobra 2021
2. HANOÏ, 14-16 oktobra 2021
3. PHNOM PENH, 18-20 oktobra 2021
Louise Mushikiwabo, Sekretera Jeneralin’ny Frankôfônia no hitarika izany iraka izany , ary itambaran’ny mpandraharaha ara-toe-karena sy ara-panjakana miteny frantsay miisa 70 avy ao Afrika, Amerika Avaratra, Eoropa andrefana ary ao amin’ny Ranomasimbe Indiana .
Afaka hitady tsena miaraka ireo mpandray anjara, hidinika mikasika ny ara-barotra, ary hiditra amin’ny tambazotra misy mpandraharaha ara-toekarena anatiny miisa 350 , amin’ny sehatry ny fanodianana sakafo, ny angovo azo avaozina ary ny vokatra sy tolotra nomerika, ao Vietnam sy ao Cambodge.
Tsy dia voakasiky ny Covid amin’ny lafiny ara-pahasalamana, ireo firenena roa ireo dia hita any amin’ny faritra mavitrika indrindra eran-tany , izay manana fahombiazana amin’ny fivoarana hita maso(fisokafana lehibe amin’ny varotra ivelany sy amin’ny fampiasam-bola vahiny) ary ny fifanohizan’ny fisondrotana anatiny mafonja (fiakaran’ny sokajy antonony, fisian’ny mponina tanora sy monina an-tanan-dehibe, fidirana ny rojon-tsanda iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tanjaka sy ny fiakaran’ny laharan’ny fanodinana ao amin’ny toe-karena).
Hialoha ny Fihaonam-be ara-toe-karena voafaritra nandritry ny Vovonan’ny Frankôfônia tamin’ny novambra 2021 tao Djerba(Tonizia) ity iraka ara-toe-karena sy ara-barotra ity. Ireto asa manaraka ireto no ho hita amin’izany:
Vovonana avo lenta miaraka amin’ireo manampahefana ara-politika sy ara-toe-karena amin’ireo firenena mpampiantrano ;
Fihaonana B2B miaraka amin’ireo fikambanana sy ireo PME ao an-toerana;
Fihaonan’ireo fikambanana mpamiroborobo ara-barotra sy mikasika ny fandraharahana.
Fitsidihana voaomana ireo orinasa sy ireo toerana anatiny ;
Asa an-tambazotra miaraka amin’ny fikambanan’ny mpandray anjara avy any Afrika, Amerika Avaratra, Azia, Eoropa andrefana ary ny Ranomasimbe Indiana.