Ny mponina tena tratry ny olana voalohany dia ny tovovavy sy ny vehivavy marefo. Tamin’ny fisian’ny valan’aretina Covid-19, nitombo ny mety hahitana ny fiharatsian’ny toerana misy azy ireo. Kanefa, izy ireo no fanoitra fototra amin’ny fanalefahana ny olana, amin’ny fandraisana andraikitra tsy tapaka eo anivon’ny fianakaviany sy amin’ny fitondrany anjara biriky amin’ny filàna fototr’ireo.
Ny tanjona ankapoben’ny famatsiam-bola « La Francophonie avec Elles » dia ny hanome ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy ny fomba hiarenana am-pahamendrehana amin’izao krizy izao sy hiatrehana ny manaraka amin’ny fanamafisana ny fidiran’izy ireo amin’ny fampandrosoana ara-toe-karena, amin’ny fanabeazana, ny fahasalamana, ary amin’ny fiarovana azy ireny amin’izay mety ho herisetra manakana azy sy ny olana rehetra.
Ity fitaovana fampiraisana ity dia natao hamatsiana vola ny asa eny ifotony, tarihin’ireo mpisehatra ao amin’ny espace francophone, ho an’ireo vehivavy marefo, indrindra ireo izay misedra fanavakavahana maro(tovovavy, vehivavy voky taona, vehivavy mpifindra monina na mpitsoam-ponenana, tovovavy reny na reny tsy manam-bady, vehivavy miaina miaraka amin’ny VIH-sida, vehivavy sembana, sns.).
Tohanan’ny tetibolan’ny OIF, io famatsiam-bola io dia manome alalana ihany koa amin’ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena miteny frantsay izay te handray andraikitra: misy sehatra an-tserasera noforonina ho amin’izany.