Pejy faneva

Fandraharahan’ny vehivavy sy ny tanora

Miasa eo anivon’ny firenena 13 ao Afrika atsimon’i Sahara, manampy amin’ny fanovana ara-drafitry ny toe-karena izy amin’ny fanomezan-danja ny fanavaozana sy ny nomerika, ary koa amin’ny fampitomboana ny famokarana any amin’ireo sehatr’asa fototra mitondra fanampin-tsanda ambony. Ny fametrahana asa amin’ny lafiny fitoviana amin’ny vehivavy sy lehilahy ary ny fanomezana fahaleovan-tena ara-toe-karena ho an’ny vehivavy no lohalaharana.

Ity fandaharan’asa ity dia mikendry ny hampitombo ny fahaiza-manao sy ny ny fahalalan’ny mpisehatra ara-panjakana amin’ny lafiny fampandrosoana ny fandraharahana, indrindra amin’ny fifampizarana fahalalana sy traikefa.

Anisan’ny tanjony ihany koa ny hanentana ny tambazotran’ny mpanoro lalana miara-miombon’antoka amin’ny famporisihina ny fidiran’izy ireo amin’ny fikambanana Afric’innov, mba hisitrahany ny rakitra sy ny fitaovana mahomby hidirany amin’ny sehatry ny matihanina sy ny fanampiana amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola.

wpChatIcon