•Inona moa ny E-TOOLIA?
• Ahoana no ahafahako miditra amin’ny rafitra fanampiana an-tserasera E-TOOLIA?
• Ahoana no andrafetana drafitra fandraharahana lavorary?
• Mitady famatsiam-bola : ahoana ary aiza no anombohana ?
• Inona no fototra ilaina raha hanomboka ny orinasako aho ?
• Misy lanjany ve ny hevitra momba ny fandraharahana ananako?
• Manana ny ilaina rehetra ho tonga mpandraharaha ve aho ?
• Inona avy no fomba hanoratana ara-dalana ny orinasako ary aiza no anaovana izany ?
• Aiza no hahitako fanampiana tsy ara-bola ?
(i) Inona moa ny E-TOOLIA ?
E-TOOLIA dia sehatra an-tserasera ho an’ny mpitondra tetikasa manana nofinofy sy ho an’ny orinasa efa misokatra ka mikaroka zava-bita tsaratsara kokoa, amin’ny sehatr’asa rehetra mandrafitra ny toe-karena. Mikendry ny hampiroborobo ny fandraharahana izy amin’ny fanampiana mikasika ny dingana fampandrosoana ireo tetikasa sy ny orinasa.
E-TOOLIA dia manolotra kalitao mahafa-po amin’ireo loharanon-kevitra, novolavolain’ny mpiara-miasa aminay izay matihanina avokoa. Ny rafitra fanampiana dia mikendry ny hanampy ny mpandraharaha amin’ny fikarohana famatsiam-bola ataony. Amin’izany, dia manolotra fanofanana, toro-lalàna afaka ampiharina ary famelabelaran-kevitra samihafa avy amin’ny matihanina,mandrakotra lohahevitra mifandray amin’ny tontolon’ny orinasa, manomboka amin’ny fananganana azy hatramin’ny fitantanana ankapobeny.
((ii) Ahoana no ahafahako miditra amin’io rafitra fanampiana ara-tserasera E-TOOLIA io ?
Tsotra be!
Araho fotsiny ity rohy manaraka ity www.etoolia.edbm.mg .
(iii) Ahoana no handrafetana drafitra fandraharahana tsara kalitao ?
Satria ianao no tena afaka hirakitra ny endriky ny orinasanao an-tsoratra, makà fotoana ary hanaovanao ny drafitra fandraharahanao.
Mba hanazava aminao ny teboka fototra mila tadidiana amin’ny fandrafetana io antontan-kevitra manan-danja ho an’ny orinasa io, atolotr’i E-TOOLIA ho anao ny fitaovana voarafitra, ny torohevitra ary ny torolalana mba hahatonga ny drafitra fandraharahana hahomby. Afaka hitanao ao amin’ny rakitra « Master Class » sy « Boîte à outils» ny fanazavana fanampiny momba izany
(iv) Mitady famatsiam-bola: ahoana ary aiza no hanombohana ?
Ho an’ny PME sy ny mpandraharaha , manahirana ny sainy ny fitadiavana famatsiam-bola. Izany no antony anomezan’ny E-TOOLIA lanjany manokana momba azy io mba hampitomboana ny sehatra manodidina ny orinasa mihoatra amin’io olana io.
Alohan’ny andraisana ny tetikasa, ny dingana fototra- tsy azo tsinotsinoavina- dia ny fitadiavana tahirin-kevitra. Manana fanazavana marobe ny E-TOOLIA ary koa rohy mahasoa izay hahafahan’ny orinasa hitrandraka ny rehetra azo atao ary hanamboarany ny orinasany hifanaraka amin’izay andrasan’ny mpamatsy vola. Fahendrena ihany koa ny manomana tsara ny tohan-kevitra hahazoana famatsiam-bola, na tsaratsara kokoa, mba hitondrana tsara ny fampiraharahana , aorian’ny dingana fanehoana ny tetikasa hovatsiana amin’ireo mpamatsy vola.
Fanampin’izany, ilaina ny mamantatra ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola mandraharaha amin’ny orinasa madinika mba hamakafakana ny fepetra famatsiany vola. Misy ireo sampandraharaha ara-bola mahazatra, ny fandraharan’asam-panjakana ary ireo mpampindrana tsy miankina. Misy lafin-javatra marobe tsy maintsy eritreretina mba hampitomboana ny fahazoana famatsiam-bola izay mifanaraka amin’ny filan’ny tetikasa iray. Miovaova arakaraka ny endrika ankapoben’ny orinasa tokoa mantsy ny rafitra ara-bola tokony hatonina. Hanolotra “Famatsiam-bola an-tsaritany” ny E-TOOLIA
(v) Inona no fototra ahafahako manomboka ny orinasako ?
Mila manana faniriana lalina sy herim-po mba handraisana fanapahan-kevitra hanomboka ny orinasany. Noho izany, fantaro, efa misy dingana tena ilaina efa nihoaranao sahady.
Ny fepetra handaminana ny fiaingana tsara ho an’ny orinasanao dia tsotra tenenina saingy ny fanatanterahana azy isanisany dia mitaky aminao faharetana lehibe ary fotoana hieritreretana. Na izany aza, hanome anao ny fanazavana ilainao mba handrosoana ny E-TOOLIA , mba tsy hahakivy anao .
Ireto ary ny fototra tokony ho tanterahina :
• Mila voafaritra tsara fa hanorina orinasa ianao
Hanampy anao hametraka fanontaniana momba ny tenanao ny sehatra an-tserasera ary koa handinika araka izay azo atao ny lanjan’ny tetikasanao. Ny sampana ao amin’ny « Master Class »no hanampy anao amin’izany.
• Miditra amin’ny andinindininy mahakasika ny firafitra, ny sata ary ankolafy ara-dalana rehetra mahakasika ny orinasanao, miaraka amin’ny fanampian’ireo matihanina: mila mifidy ny karazana fikambanana tianao hatsangana ianao. Manasa anao izahay hiditra ao amin’ny www.orinasa.edbm.mg
• Hampiditra sy hanatsara ny Drafitra Fandraharahana mahomby mba hanatsarana ny fitadiavana famatsiam-bola .
(vi) Misy lanjany ve ny tetikasa fandraharahana ataoko ?
Tena ara-dalana ny fametrahanao fanontaniana mikasika ny lanjan’ny hevitrao. Ahafahanao mandinika hatrany ny tetikasa izany. Na izany aza, tsy misy antony ny fiheverana izany fanontaniana izany ho sakana. Misy fepetra hahafahan’ireo tsy tapa-kevitra hamakafaka raha afaka ho tanterahina io tetikasa io na tsia.
(viii) Inona avy ireo fepetra takiana amin’ny firaketana an-tsoratra ny orinasako ary aiza no anaovana izany ?
Ny firaketana ny orinasa dia atao eo anivon’ny Economic Development Board of Madagascar. Ankoatr’izany, ireo sehatr’asa voafehin’ny lalàna manokana dia ilana fahazoan-dalana manokana angatahina mialohan’ny firaketana an-tsoratra na aorian’ny fananganana ny orinasa eny anivon’ireo foiben-toerana voakasik’izany.Ny fanampim-panazavana dia hitanao ao amin’ny tranokala vaovao www.orinasa.edbm.mg .
(ix) Aiza no mety ahitako fanampiana tsy ara-bola ?
Misy fikambanana marobe sy olon-tsotra afaka manohana anao sy manampy anao amin’ny dingana sarotra mikasika ny tetikasanao samihafa. Afaka mitady mpanofana ao amin’ny sokajy « Trouver un mentor » ianao.
Ireo vao manomboka ao amin’ny tontolon’ny fandraharahana dia tokony hiditra amin’ny fikambanana izay manolotra torolalana ho an’ny tanora startuppers.
Manasa anao izahay hitsidika ny sokajy « Nos Partenaires » mba hahitanao an’ireo mpanohana ny fandraharahana vaovao, ny kabinetra matihanina amin’ny torolalana sy fanampiana, ny fikambanana sns. izay mety aminao mba hahafantaranao ny fandraharan’asa fanampiana atolotr’izy ireo