Riveltd RAKOTOMANANA
Fanazarana | Fandraharahana
Riveltd RAKOTOMANANA
« Hanohana ny tanora amin’ny fandraharahana , hadalana izany » hoy ny sasany ; «tsy mora io asa io ka mila fasahiana » hoy kosa ny hafa.
Riveltd RAKOTOMANANA dia mpikatroka ara-tantara momba ny fandraharahan’ny tanora eto Madagasikara. Hatramin’ny famelabelarana nataony voalohany tamin’ny 2008 hatramin’izao anio izao, mahatoky ny tanora hatrany izy ary mitantana ny ONG Le CEENTRE (Le Centre d’Excellence en Entrepreneuriat). Ity fandraisana andraikitra ity dia mikendry ny hametrahana ireo mpandraharaha mitondra vokatra ao amin’ny ivon’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Amin’ny toe-java-misy ahitana olana ara-toe-karena sy ara-tsosialy, resy lahatra izy fa ny mpandraharaha no mpisehatra fototra amin’ny fanalefahana ny dona ara-tsosialy, ary koa amin’ny fitadiavana vahaolana mitondra vokatra mba hahafahana manome tolotra tsara ho an’ny vahoaka maneran-tany; na ara-toe-karena izany, na ara-pahasalamana, na ara-tsosialy tsotra izao, na eo anivon’ Dans le contexte actuel de difficultés économiques et sociales, il na amin’ny sehatra anatiny, na iraisam-pirenena.
Ny fankafizany ny fandrosoan’ny olombelona no mitarika azy hiasa amin’ny maha Filoha Tale Jeneralin’ny ISSOF (Iscam Solutions Formation) sy Filohan’ny Komity Fanabeazana sy Fanofanana ao amin’ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar). Mpanofana amin’ny sehatry ny fandraharahana,manana fahaizana manokana mikasika ny “business model canvas” sy ny fitaovana enti-mampandroso ny orinasa vaovao toy ny LeanStartup, ny solika entiny mandroso dia ny famporisihana ny startupers hanao dingana lavitra kokoa ao amin’ny tontolo mahafinaritry ny fananganana orinasa.
Manolo-tena amin’ny fanaovana asa soa ihany koa i Riveltd amin’ny fanoroana lalana eny anivon’ny PME sy ny startups mivoatra ao anatin’ny tontolo vaovao sy miovaova.
Ny fahaiza-manaony no manosika azy hiasa amin’ny fikambanana tanora mpandraharaha samihafa. Araka izany, niara-namorona ny CEERE izy, ny JCI Iarivo, ary nanomboka ny LYTE ISCAM taona vitsivitsy talohan’izao.
Nanefy ny soatoaviny avy amin’ny fahendrena, ny fifehezan-tena, ny fomba fiasa voarindra ary indrindra ny fikatsahana ny tsara indrindra.
Ny faharesen-dahatra avy aminy : « Ny mpandraharaha aloha, manaraka ny tetikasa avy eo … »