Pejy faneva

SYMABIO

Ny Sendika Malagasin’ny Fambolena ara-Biolojika SYMABIO dia niforona tamin’ny martsa 2011  avy amin’ny hevitry ny  mpandraharaha tonga saina amin’ny fanamby entin’io sehatr’asa io eo amin’ny lafiny ara-toe-karena, ara-tsosialy ary amin’ny lafiny tontolo iainana ary ny filàna amin’ny fanovana ho vondrona mba hanairana ny sain’ny besinimaro sy ny manampahefana  amin’ny fampiroboroboana ny fambolena biolojika.
Ny sendika dia manana mpikambana  telopolo izay misehatra amin’ny seha-pihariana voajanahary ary manana fanamarinana mikasika ny vokatra biolojika vokarin’izy ireo. Misy mpamokatra miara-miombon’antoka miisa 5000 eo ny tambazotra eny amin’ny tontolo ambanivohitra izay misy amin’ny faritra samihafa eran’i Madagasikara. Ny asa fiotazana  dia anisan’ny loharanom-bola ihany koa ho an’ireo olona marobe any amin’ny tanàna  voasokajy ho faritra BIO

wpChatIcon