Niforona tamin’ny 1958, ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara « SIM » dia fikambanana tsy itadiavam-bola mikendry ny famakafakana, ny fiarovana ny zo sy ny fiarovana ny tombotsoa arak’asa, ara-toe-karena , ara-bola, ara-barotra ary ara-tsosialin’ny indostria sy ireo asa izay mifandray aminy ary manana ny adiresy foibeny eto Madagasikara.
Mampivondrona mpikambana 88 miparitaka amin’ny sampan’asa 10, ny SIM dia manana fisoloantena lehibe.
Ireto ny tombotsoa azonao mpikambana ao amin’ny SIM :
Torohevitra, torolalana, fanomezana mandrakariva ary amin’ny fotoana marina ny vaovao mikasika ny zava-misy momba ny lalàna sy ny hetra, ny tontolon’ny fandraharahana, ny varavarana misokatra amin’ny raharaham-barotra, ny hetsika mety hiseho, ny fanofanana, ary ny vaovao hafa rehetra mahaliana eo amin’ny tontolon’ny raharaham-barotra.
Fikarakarana sy fanaraha-maso ny fangatahana ataonao eny anivon’ny ambaratongam-panjakana sy ny biraom-panjakana.
Sehatra fifanakalozana amin’ireo orinasa any amin’ny fikambanana mpanelanelana any amin’ny faritra ka mpiara-miombon’antoka amin’ny SIM.