Ny Vondron’ny Orinasa eto Madagasikara (GEM) no nanolo ny Vondron’ny Orinasa tsy miankina eto Madagasikara (GEPRIM), niforona tamin’ny 1972 ary izy io koa dia vokatry ny fanovana ny Fikambanan’ny Sendikà momba ny tombotsoa ara-toekarena eto Madagasikara(USIEM) niforona tamin’ny 1946.
Ireto avy ny andraikitra maharitry ny GEM :
– mamaritra, mametraka ary mampahafantatra ny politika fampandrosoana ny orinasa, na inona na inona no sata ara-dalàna misy azy ireo sy ny habeny, ho an’ny tombotsoa iombonana, ho an’ireo izay miasa ao, ho an’ny mpampiasa vola sy ny mpanjifa ;
– mampanjaka ny fepetra ankapobeny momba ny fahombiazana sy ny fahafahana mety indrindra amin’izany ;
– mitarika ny mpikambana ho amin’ny asa miaraka mba hampanjaka ny fivoarana ara-toe-karena sy ara-tsosialin’ny firenena.