Pejy faneva

FCCIM

Ny FCCIM dia rafitra ara-panjakana manana toetra matihanina (EPP), manana ny sata maha ara-dalàna azy sady mahaleotena ara-pitantanana sy ara-bola.

Ny asan’ny Federasiona dia ny hisolo tena sy hiaro ny tombotsoan’ny  fikambanan’ny CCI sy ny sehatra tsy miankina eo anivon’ireo manampahefana malagasy, ireo fikambanana eto an-toerana, any amin’ny faritra na manerana izao tontolo izao,  andraikiny ihany koa ny fanentanana, ny fandrindrana  ny asan’ny CCI mifanaraka amin’ny tanjona nasionaly ho an’ny fampandrosoana.
Ireo ny asan’ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria :
– Mandrindra ny asan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ary mampifanaraka ny asany amin’ireo tanjona nasionaly ho an’ny fampandrosoana.
– Manentana amin’ny fanatanterahana ny tombotsoa iombonan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria roa na maromaro
– Misolo tena ny  Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria amin’ireo fanjakana foibe raha ilaina izany.
– Manome ho an’ny fanjakana, araka ny fangatahany na araka ny nahim-pony, ny hevitra sy ny fanazavana  mikasika ny olana ara-toe-karena  sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena.
– Manamora ny fifandraisana eo amin’ny fanjakana foibe sy ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eo amin’ireo Fikambanana iraisam-pirenena mba ho tombotsoany.
– Misolo toerana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eo amin’ny Fikambanana samihafa.
– Manampy ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria tra-pahasahiranana

wpChatIcon