Pejy faneva

EFOI

EFOI : Entreprendre au Féminin de l’Océan Indien dia tambazotra iray mampifandray ny mpandraharaha vehivavy manerana ny Ranomasimbe Indiana.
Tsy mora ny mandraharaha.
Vao maika sarotra ny mandraharaha raha vehivavy ianao  .
Ny EFOI  dia tambazotra matanjaka eto an-toerana sy  any amin’ny faritra izay mampifandray ny vehivavy mpandraharaha mba hanorenana sy hanamboarana fiaraha-miombon’antoka matanjaka sy maharitra eo amin’izy ireo.
Noho ny fandraisan’andraikitra mavitrika avy amin’ny mpikambana, ankehitriny ny  EFOI dia nahazo laza sy lanja hahafahany mahazo famatsiam-bola izay  hanaovany fandraisana anjara efa ho maimaipoana amin’ny tsenabe, ny zaikabe, eto an-toerana na maneran-tany .
Ny fidirana ato aminay , dia fanekena hametraka ny lanjan’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fandraharahana.

wpChatIcon