Pejy faneva

Coalition Paysanne de Madagascar/Firaisankinan’ny Tantsaha eto Madagasikara

Ny FTM/CPM (Firaisankinan’ny Tantsaha eto Madagasikara/Coalition Paysanne de Madagascar) dia sehatra iray ho an’ny fikambanana’ny tantsaha, ny marimarina kokoa dia fivondronan’ireo fikambanan’ny tantsaha, natsangana tamin’ny novambra 2001, fehezin’ny didy 60.133 tamin’ny 03 Oktobra 1960 (Rosia laharana 16/02-MI/SPAT/ANT/ASS tamin’ny 14 Janoary 2002). Mampivondrona ireo hery velon’ny tantsaha izy io mba ho tonga mpisehatra afaka manaisotra ny olana mba hanafoanana ny fahantrana eny amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra, ny firaisan-kina ary ny fiaraha-miasa.
Ny FTM/CPM dia fikambanana tsy mitady vola, manao asa fampiroboroboana ny  fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy tantsaha, ny fifampiresahana ara-tsosialy  amin’ny tantsaha sy ireo mpisehatra ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-bola ary ara-politika ka ny tanjona amin’izany dia ny hampiroborobo ny andraikitry ny tantsaha amin’ny dingana fampandrosoana ny eny ambanivohitra.

Ireto ny andraikitry ny  FTM/CPM :
– mampiroborobo ny fidiran’ny tantsaha amin’ny sehatra ara-toe-karena sy ny sehatry ny matihanina
– misolo tena ny tantsaha eo amin’ireo ambaratonga mpanapa-kevitra mikasika ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra teo aloha
– mampivelatra ny zo sy ny tombotsoa fototry ny tantsaha.

wpChatIcon