Ny Chambre des Mines de Madagascar ( CMM) dia fikambanana tsy miankina noforonin’ireo orinasa mpanodina harena an-kibon’ny tany. Mivondrona amin’izany ireo orinasa misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany sy ireo orinasa miasa amin’ny sehatra manodidina an’izany.
Ny rantsana faratampony ao amin’ny Antenimieran’ny Harena an-kibon’ny tany dia ny Fivoriambe arafitr’ireo mpikambana ao aminy .Io fivoriambe io no mifidy isaky ny telo taona ny mpitantana hametraka ny tari-dalana stratéjikan’ny fikambanana. Ny Sekretaria Mpanatanteraka no miantoka ny fizotry ny fiaianana andavanandron’ny Antenimiera.
Ny maha mpikambana ao amin’ny Antenimiera dia midika fandraisana anjara amin’ny zavatra ataon’ny fikambanana. Ny orinaas mpikambana tsirairay dia tsy maintsy mirotsaka farahafahakeliny ho komity amin’ny sehatr’asa iray araka ny safidiny.