Pejy faneva

APEM

Ny APEM na Association pour la Promotion de l’Entreprise à Madagascar dia fikambanana naorin’ireo orinasa mpikambana ao amin’ny Vondron’ny Orinasa eto Madagasikara ary voafehin’ny didy 60-133.
Ireto avy ny tanjony :
– Hampiroborobo ny fandraharahana  sy hampivelatra orinasa bitika sy orinasa madinika eto Madagasikara
– Handray anjara amin’ny fampidinana ny fahantrana, indrindra amin’ny asa atao eo amin’ny sehatry ny fampindramam-bola madinika;
– Handray an-tanana ny  asa fikarohana rehetra, handray anjara eo anivon’ireo  fikambanana, rafitra ara-panjakana, na tambazotra mifandraika mivantana amin’ireo teboka roa voalaza ambony ireo.

Ny fampindramam-bola madinika sy ny fanofanana no asa fototra ataon’ny fikambanana.
Araka ny fangatahana misy, hisy ekipa manokana vonona hanao ny fanadihadiana ara-barotra sy fanefena ny rafitra fandraharahana ho an’ny orinasa iray amin’ny sehatr’asa rehetra.

wpChatIcon