Dingana voalohany amin’ny tontolon’ny fandraharahana?
Atombohy ary trandraho ny lafiny rehetra amin’ny lalan’ny fandraharahana! Misy fanazavana fototra handrafetana tsara ny tetikasa fanangananao ny orinasanao
Mila mamaritra ny tetikasanao aloha ianao amin’ny fahafantarana hoe karazana vokatra na tolotra inona no hatolotrao ny mpanjifa kinendrinao , karazana tsena toa inona, aiza no hanorenanao azy ary inona avy ny fitaovana misy eo am-pelatananao. Hanampy anao hamaly ireo fanontaniana ireo, misy torolalana afaka jerena amin’ny fanindrianao ity rohy ity https://orinasa.edbm.mg/Articles_4
• MISAFIDY NY DINGANA ARAHINA HIDIRANA AMIN’NY ARA-DALANA:
Manokatra varavarana maro ny fidirana ao amin’ny sehatry ny ara-dalàna, toy ny fahatsoran’ny fidirana amin’ny tsena, ny tambazotra matihanina sy ny famatsiam-bola. Ny fahalalana fototra momba ny mahasamy hafa ny mpandraharaha, orinasa tsy misoratra ara-dalàna sy ny orinasa mitsangana ara-panjakana dia afaka jerenao amin’ny fanindriana ity rohy ity https://orinasa.edbm.mg/Articles_2
• MISAFIDY NY SATA ARA-DALANA :
Rehefa voafaritra tsara ny tetikasa ka tapa-kevitra hiroso amin’ny fidirana ara-dalàna ianao(hanangana ny orinasanao), ilaina ny mifidy tsara ny sata ara-dalàna idiranao amin’ny fametrahana ny fanontaniana manaraka : maniry hiasa irery ve ianao sa hanana mpikambana ara-barotra? Te hiaro ny fanananao ve ianao ? Hanampiana anao, dia manasa anao izahay hanovo fahalalana amin’ny fanindriana ny rohy roa manaraka: hamantatra ny hevitra fototra https://orinasa.edbm.mg/Articles_5 , ary hamantatra ny dingana arahina raha handraharaha https://orinasa.edbm.mg/legalStatusChoice
• HAMANTATRA RAHA MILA FAHAZOAN-DALANA MANOKANA NY ASA ATAONAO :
Afaka jerenao ato ny lisitr’ireo sehatr’asa itakiana fahazoan-dalana manokana sy ny dingana arahina amin’izany https://orinasa.edbm.mg/regulatedActivities
Ny adiresy hita ato amin’ity rohy manaraka ity https://orinasa.edbm.mg/Articles_10 dia mety hanampy anao ary manasa anao ihany koa izahay hitsidika ny dingana arahina amin’ny fananganana orinasa ao amin’ny sokajy « Procédures »
Ambonin’izany , loharanon-kevitra samihafa manana endrika horonan-tsary, fanehoana, torolalana ary antontan-kevitra, izay ho fitaovana hanampy anao hanangana ny tetikasanao no azonao alaina etsy ambany