Pejy faneva

Fananganana orinasa

Ahazoana tombony maro ny fampidirana ny orinasa amin’ny sehatra ara-dalàna. Maro ny fanontaniana mety hipetraka momba izany: Inona ny sata ara-dalàna hofidiana? Inona avy ny antontan-taratasy ilaina? Ohatrinona ny vola aloa? Aiza no aleha?

Tsidiho ny tranokala orinasa.edbm.mg mba hahitanao ny fanazavana farany sy ilaina hahafahanao manokatra ny orinasanao amim-pahombiazana ary tsindrio eto hahazoanao ny andinindininy mikasika ny dingana arahina amin’ny fananganana orinasa.