Ho an’ny taona 2021 ny fandaharan’asa Fandraharahana – SCAC an’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara dia manao fiantsoana fisoratana anarana ny 25 may hatramin’ny 16 jona.
Ao amin’ny singa faha2 ao anatiny, io fandraharan’asa io dia hanampy ireo startups na ireo orinasa madinika malagasy. Ny fanampiana dia hizotra mandritra ny6 volana ary mikendry ny fandrafetana ny fototry ny orinasany, hiasa ho an’ny fivoarana ary hiroborobo eo amin’ny sehatra anatiny na iraisam-pirenena
mihitsy aza.dans(ny faritry ny ranomasimbe indiana aloha fa amin’ireo firenena afrikanina sasany koa).
Mandritra ireo 6 volana ireo, hisy ny sokajim-panofanana mafonja, atrikasa hihaonana, fanampiana ara-kasa miaraka amin’ireo mpanao famelabelaran-kevitra, mpanofana, mpandraharaha malagasy sy frantsay hizarazara anatin’ny tetiandro napetraka.
Fanampin’izany, ny fandaharan’asa Fandraharahana-SCAC dia hanolotra fanampiana ara-bola atokana ho an’ny tohana ara-teknika ho an’ireo mpisitraka ny fanampiana.