Pejy faneva

TOHAN

Finiavana hanome lanja sy hizara ny fahaiza-manao malagasy eo amin’ny sehatra anatiny sy iraisam-pirenena no niteraka ny Tohan.
Natsangana tamin’ny 2015, nanomboka tao amin’ny lakoziany ireo mpamorona azy tamin’ny fanaovana ny boatina dite.Nihitatra ny karazana vokatra ary mifantoka amin’ny vokatra mahakasika ny fikarakarana endrika ara-boajanahary toy ny menaka voanio tsy misy fangarony, ny menaka fanao amin’ny volo, ny fanadiovana ny vatana, ny rano vita amin’ny ravintsara ary ny savony mangatsiaka sy tsy manimba ny tontolo iainana.
Amboarina manontolo amin’ny tanana ary ataon’ny tovovavy voaofana avy amin’ny faritra sahirana,  voaara-maso tsara sy  amin’ny fomba hentitra ny vokatra atolotray mba hiantohana ny hatsarany .

wpChatIcon