Ny orinasa Ny Manjary, mitrandraka ny marika Manjary, dia miavaka amin’ny famokarana :
– voankazo, legioma, hanitra nohamainina( didy manify na vovoka, ao anatin’izany ny vovoka baobaba), ho an’ireo mpanjifa olontsotra na orinasa
– tantely afangaro amin’ny sakafo mahasalama (karazana vokatra Miel ImmuniThé) : tantely tamotamo , tantely voasary makirana-sakamalaho, tantely kanelina, tantely voasary makirana-kanelina, tantely baobaba, tantely Moringa ary tantely kakaô tsy mifangaro ( vokatra efa hita eny amin’ny toeram-pivarotam-panafody, tsena lehibe na salasalany , tranombarotra )
Ny toerana fanehoana ny vokatra dia eo Tsiazotafo(manoloana ny tobin-dasantsy Total taloha, Le showroom se situe à Tsiazotafo , Tranoben’ny Hôtel Tropic Asia).