Pejy faneva

Le Relais Madagascar

Nanomboka ny diany ny Le Relais Madagascar tamin’ny volana aprily 2008. Ny tanjony fototra dia ny hampiroborobo ny sehatr’asa ara-toe-karena sy sosialy mba hanomezana asa maharitra ho an’ireo olona voahilika na marefo .
Vondrona orinasa mitana ny  soatoavina malagasy  izahay ary koa ny fiavahana ara-tsosialy sy ekonomia, ka amin’izany dia  manome lanja ny tsirairay  mba hampivelarana ny tombotsoan’ny be sy ny maro.
–> Ny dingana ara-ekonomia dia ahafahana mitantana ny tombony ara-bola natao hiantohana ny fahaleovantenan’ny tetikasa , hanomezana karama mendrika, ary hanampiana amin’ny fanombohana sehatr’asa vaovao eto an-toerana
–> Amafisin’ny dingana amin’ny fandraharahana ny asa, ny ezaka, ny fandraisana anjara sy ny hevitry ny ekipa manontolo ary ahafahana mandroso miaraka amin’ny fanorenana fitaovam-piasana tokana.
–> Ny dingan’ny famatsiam-bola an’ny tena manokana no manome lanja ny vokatra sy ny ezaky ny asa ataonay
–> Ny dingana sy ny andraikitra mitambatra no miantoka ny fanajana ny fahaiza-manao eto an-toerana ary mitondra hevitra vaovao sy maneho ny herin’ny asa natao . Miady amin’ny olana ateraky ny tsy fisian’asa eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny soatoavina sy ireo mpisehatra anatiny .

Ireo sehatr’asa ampandrosoan’ny  le Relais Madagascar : Ivo toerana fifantenana  friperie TARATRA, toerana fanamboarana fiara   SOATAO, toerana fanjairana GASH’MLAY,  tetikasa fanampiana amin’ny sehatry ny fambolena sy fambolem-bary  AINGAVAO any  Isorana, toerana fandraisam-bahiny sy fizahan-tany ekolojika lehibe roa  MORINGA any Toliara ary  THERMAL any  Ranomafana, ivo toerana fitantanana ny fakon’ny kaominina ambanivohitra  Fianarantoa FAKOFIA.

wpChatIcon