Pejy faneva

DIGITEC S.a.r.l

Orinasa misehatra amin’ny fikarohana sy  famoronana ara-tsolosaina sy  amin’ny  elektronika nomerika ny DIGITEC S.a.r.l

Mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifany , tolotra telo no omen’ny  DIGITEC :
– Ny famoronana rafitra fanaraha-maso nomerika
– Ny famoronana  rindrambaiko miavaka, rindrambaiko mifindrafindra, sehatra an-tserasera
– Ny fanamboarana rafitra fanairana sy fiarovana

Anisan’ny lohalaharana eo amin’ny tsenan’ny fanavaozana eto Madagasikara ary manana traikefa nandritra ny folo taona mahery, mitondra ny vahaolana mifanaraka amin’ny  fangatahan’ireo mpandray anjara : Fokontany, Commune, Orinasa sy sekoly, olon-tsotra, ka amin’izany dia manolotra fanampiana  sy mitondra ny anjara birikiny amin’ireo fandraharan’asa ara-tsosialy: EZAKA, SOSecurity,.

wpChatIcon