Mifantoka amin’ny lavanila, ny hanitra sakafo sy izay avy aminy, indrindra ireo vokatra tsy voaodina ny APLV.
Mifantina ireo hanitra sakafo tsara indrindra misy eto Madagasikara izahay ka maneho aminao ny halafatry ny vokatra miainga mivantana avy amin’ireo mpamboly izay mifototra amin’ny fomba fambolena biolojika sy maharitra . Io karazana varotra mivantana io dia ahafahanay mividy amin’ireo mpamboly amin’ny vidiny ambony kokoa ho an’ireo vokatra miavaka , no sady hanomezanay vidiny mirary ho an’ireo mpanjifa anay .
Ny fisian’ny APLV eny anivon’ireo faritra mpamokatra sy ny fidiran’ny orinasa amin’ny dingana fikarakarana ,fifantenana sy fanamainana no ahafahanay mitana ny vokatra avo lenta, mahatonga anay ho isan’ny mpanondrana lehibe- mpamongady hanitra sakafo eto Madagasikara.
Noho ny hamafin’ny fifandraisanay amin’ireo vondron’ny mpamokatra, miditra mivantana amin’ny fambolena, ny fanangonam-bokatra, ny fanodinana sy ny fivarotana ny hanitra sakafo sy ny lavanila. Mifantoka amin’ny rojom-pamatsiana tokana « du grain à la bouteille » manome antoka ny faharetan’ny orinasa ho an’ny taranaka any aoriana .
Ao anatin’ny fanekenay fa hanome ny fenitry ny kalitao avo indrindra ho an’ny hanitra sakafo sy ny lavanila, dia nikaroka ary nahazo fanamarinana avy amin’ny Ecocert izahay ho an’ny ankabeazan’ny hanitra sakafo atolotray. Mbola manohy ny fikarohana ho fanatsrana izahay ao anatin’ny dingana arahina momba ny fanamarinana vaovao toy ny ‘ISO 9001 sy ISO 22,000.