Ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) no mpiara-miombon’antoka fototra aminao amin’ny fandraharahana ataonao eto Madagasikara. Tanjon’ny EDBM ny hanamafisana ny fahafahana mifaninanana eo amin’ny sehatra tsy miankina malagasy, ny hampitomboana ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany (FDI), ny hamolavolana sy hanolorana fepetra fandrisihana mifandraika amin’ny fampiasam-bola tsy miankina eto Madagasikara, ny hampiroboroboana ny fandraharahana, ary ny hanohanana ireo mpandraharaha amin’ny dingana ataony ho fananganana ny orinasany sy fanitarana azy amin’ny fanomezana azy ireo tolotra avy amin’ny Mpanolotsaina voatokana amin’izany sy amin’ny alalan’ny Ivon-toerana tokana ao aminy .
Amin’ny maha solontena ofisialin’i Soisa azy, ny Masoivoho dia manao hetsika isan-karazany mandrakotra ny sehatra rehetra momba ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’ny governemanta roa tonta. Izy io dia maneho ny tombontsoan’i Soisa amin’ny lafiny politika, toekarena, fitantanam-bola, lalàna, siansa, fanabeazana ary kolontsaina.
Efa hatramin’ny ela ny fifandraisan’ny roa tonta dia i Madagasikara sy Soisa. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny sampandraharaha ara-toekarena, sosialy ary kolontsaina, indrindra amin’ny alalan’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana. Hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantenan’ny firenena tamin’ny taona 1960, nanangana fandaharan’asa fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana maro i Soisa, anisan’izany ny any ambanivohitra.