Pejy faneva

Salon des Start-up et des entreprises malgaches/Tsenaben’ny Start-up sy ny orinasa malagasy

“Tsenaben’ny Start-up sy ny orinasa malagasy “, iray andron’ny  Vita Malagasy izay atao ao amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny 20 novambra 2021 amin’ny 9ora à 5 ora.
Ity hetsika ity, izay karakarain’ny Take the break, dia fotoana hahitana hevitra vaovao 100% malagasy. Noho izany, ny start-up, ny sehatr’asa isan-karazany dia ho afaka hambabo anao ary hampiseho fa ny fahaiza-manao Malagasy dia afaka ho tonga fakan-tahaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ho famporisihina ireo mpandraharaha havitrika amin’ny asa ataony sy hanavao hatrany, dia hisy ny fifidianana hataon’ny mpitsidika ho an’izay orinasa mendrika indrindra. Hahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Take the break ny mpandresy amin’izany : famoahana an-gazety, tranoheva maimaimpoana amin’ny Tsenabe manaraka sy loka  hafa koa.
Raha mila fanazavana fanampiny, tsidiho  ny pejy Take the break : https://www.facebook.com/Take-the-break-265929445254854/
Ho an’ny Start-up : fisoratana anarana amin’ny tsenabe misokatra hatramin’ny 05 novambra 2021
wpChatIcon