https://www.res4africa.org/calendar-news/uij9ujmolakkcogla2j22cvrn3e5sw
Ao anatin’ny sehatra “Renew-ABLE against COVID”, ny fondation RES4Africa , ny Electrical Workers Without Borders Italy (ESFI) ary ny Technical Solidarity ONLUS (TS) dia mifidy start-ups 3 sy/na fikambanana matihanina tanora mba hanatanteraka ny tombana amin’ny angovo amin’ny ivontoerana vaovao momba ny fahasalamana, izay mitarika amin’ny fanaovana sarin’ny rafitra fitanterana herinaratra, ny teti-bola ary ny fandaharam-potoana.
“Renew-ABLE Against COVID” dia tetikasa mitohy izay miorim-paka amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny RES4Africa, ESFI ary TS mba hiantohana tolotra momba ny herinaratra izay azo antoka sady mora ho an’ireo ivon-toerana momba ny fahasalamana eto Afrika.
Ity sehatra ity dia natomboka sy natsangana tamin’ny 2020, nandritry ny volana voalohany nisian’ny valan’aretina COVID-19; manolotra fiofanana maro sy fahafahana mianatra ho an’ireo tanora matihanina izy ity, eo amin’ny sehatry ny angovo azo avaozina sy ny fahazoana angovo, miatomboka amin’ny teknolojia ho an’ny taranaka momba ny angovo azo avaozina hatrany amin’ny raharaham-barotra sy fahaiza-manao momba ny fandraharahana : ny vatofehizoron’ny fandaharan’asa dia ny sehatra fanofanana avy amin’ny RES4Africa’, toy ny Micro-Grid Academy (MGA) sy ny Fandaharan’asa Advance Training Course. Tamin’ny nanombohany hatramin’ny tapany voalohany tamin’ny taona 2021, notanterahin’ny Renew-ABLE Against COVID ny fidirana an-tsehatra teo anivon’ny tobim-pahasalamana “Anana Children Home” sy “Cottolengo Mission Hospital”, samy ao Kenya, tamin’ny fanomezana angovo izay azo antoka, mora ary azo avaozina. Takiana amin’ny mpandray anjara ny fanaovana fanadihadiana, ny fanaovana dinidinika ary iraka mba hanombanana ny filàna amin’ny angovo eo amin’ny ivon-toerana misahana ny fahasalamana isan-tokony. Mifototra amin’ny fanadihadiana natao, dia hanao ny fanaovana sary mialoha ny rafitra fitaterana herinaratra izy ireo. .
Winning applicants will have the opportunity to work alongside experienced professionals from RES4Africa members’ network, providing guidance in the execution of the project. In addition, tailored mentorship webinars and one-to-one sessions will be organised, developing winners’ complementary skills.
The deadline for the submission of application form is September 12th, 2021.
For detailed information about the requirements, procedures, deadlines and steps, please read carefully the attached Call for Proposals.