Pejy faneva

RECRUTEMENT DES STARTUPS EN INCUBATION POUR LA SAISON 2022/FIFANTENANA IZAY STARTUPS HAMPIROBOROBOANA HO AN’NY TAONA 2022

Manana tetikasa na startup mirakitra singa nomerika mitondra vahaolana  izay mahavaly  tanjona ho amin’ny fampandrosoana maharitra  iray na maromaro ho an’i Madagasikara ve ianao? Afaka mirotsaka ho fidiana amin’ny  Andiany 2022  amin’ny fandaharan’asa fampiroboroboana ataonay ianao.

Manana hatramin’ny 15 oktobra ianao 

Ny fandaharan’asa fampiroboroboana maimaim-poana atolotr’i  #ZafyTody dia hahafahanao hisitraka ny :
• toerana hiasana misy aterineto sy toeram-pivoriana
• torohevitra voatokana araka ny fandroson’ny tetikasanao
• fanofanana ara-pandraharahana mba hanampy anao amin’ny famoronana na ny fitantanana ny asa ataonao
• fampiantranoana ny vahaolana nomerikanao  ao amin’ny  AWS (Amazon Web Services)  amin’ny  hofany 10.000$ mandritry ny  2 taona
• torohevitra  amin’ny fanatanterahana ny  vahaolana ara-teknolojia  ataonao
• raha ilaina, fanampiana ara-bola amin’ny filanao arak’asa araka ny tanjona kendrenao
•  fahafahana hahazo loka amin’ny faran’ny fandaharan’asa, izay hoe ny loka “Zafy Tody Excellence Award”
Mahaliana anao ve izany rehetra izany ? Apetraho  eto ary ny fisoratanao anarana : https://zafytody.mg/candidater/

 

wpChatIcon