FANDAHARAN’ASA MOMBA NY FANDRAHARAHANA KARAKARAIN’NY FONDATION TONY ELUMELU 2022
Ny Fondation Tony Elumelu dia manolotra maimaim-poana vola ho fanombohana tetikasa mitentina 5.000 DOLARA.
Ny Fandaharan’asa momba ny fandraharahana ao amin’ny Fondation Tony Elumelu dia fanomezana mitentina 100 tapitrisa dolara avy amin’ny fianakaviana famille Elumelu mba hampahaleo tena mpandraharaha afrikanina miisa 10 000 mandritry ny 10 taona amin’ny alalan’ny fanofanana, ny toro hevitra ary ny famatsiam-bola. Ny tanjona dia ny hamoronana asa farahakeliny 1 tapitrisa ary koa hitondra anjara biriky mitentina 10 lavitrisa dolara ho loharanom-bola amin’ny toe-karena afrikanina
Noho io fandaharan’asa sangany momba ny fandraharahana io, dia mitarika ny mpandraharaha afrikanina sy ny tontolon’ny fandraharahana eo anivon’ny firenena afrikanina 54 hahaleo tena. Ny fandaharan’asa fanofanana TEF dia noforonina mba hanasokajy ireo mpandraharaha araka ny fahaiza-manaony sy ny fahalalana asehony.
Natao ny fanofanana mba hanabe anao ary hahafahanao hanorina sy hampandroso ny orinasanao mba handresena amin’ ny fanamby tsy maintsy atrehin’ireo mpandraharaha ao amin’ny kaontinana afrikanina. Mifantoka amin’ny fianarana arahina fampiharana sy anaty fifandrimbonana pprentissage qui ny fandaharan’asa, ilaina foana izany na fotoana ela aorian’ny fiofanana aza.
Mba handraisanao anjara amin’ny fandaharan’asa momba ny fandraharahana avy amin’ny Fondation Tony Elumelu 2022, tsindrio ity rohy manaraka ity :
https://tefconnect.net/