Nanjary ho faka tahaka, ny Prix Orange de l’Entrepreneur Social eto Afrika sy any amin’ny faritra Afovoany Atsinanana (POESAM) dia nihoatra ny 10 taona ary miditra amin’ny andiany faha 11.
Isan-taona dia manome fankasitrahana ho an’ny tetikasa ara-teknolojia tsara indrindra mitondra vokatra miabo ho an’i Afrika sy ny Faritra Afovoany Atsinanana izy ity . Mizara roa ny fifaninanana : voalohany, fifaninanana nasionaly amin’ny firenena 17, ka avy eo ny mpitsara iraisam-pirenena no hanendry ny mpandresy ho an’ny Loka Lehibe.
Roa taona nifanaraka izao, nankasitraka ireo start-ups ny Orange tamin’ny Prix Féminin International izay lelavola mitentina 20 000€. Ity loka ity dia hankasitrahana ireo tetikasa rehetra entin’ny vehivavy na mikendry ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vehivavy .
Fetra faran’ny fisoratana anarana : 04 jona amin’ny 11 ora 59min alina – Raha hametraka antontan-taratasy , tsindrio eto