https://mg.ambafrance.org/Ouverture-de-l-appel-a-projets-2021-du-Fonds-d-Appui-a-la-Societe-Civile-PISCCA
Fisokafan’ny fiantsoana tetikasa 2021 an’ny Famatsiam-bola ho Fanampiana ny Fiarahamonim-pirenena- PISCCA : « Fanamafisana ny andraikitry ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena (OSC) amin’ny fampivelarana ny zo sy ny sehatra ho an’ny vehivavy ao amin’ny fiaraha-monina malagasy ».
Misokatra ny fiantsoana tetikasa ho an’ny andiany 2021 avy amin’ny Fanampiana ny Fiarahamonim-pirenena FSPI-PISCCA avy amin’ny Sampandraharaha momba ny fiarahamiasa sy ny asa ara-kolotsaina eo anivon’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara ! Ity Famatsiam-bola ho Fanampiana ny Fiarahamonim-pirenena PISCCA ity dia mikendry ny hanamafisana ny andraikitry ny OSC amin’ny ny zo sy ny sehatra ho an’ny vehivavy malagasy eny anivon’ny sehatr’asa ao amin’ny fiaraha-monina : politika, toe-karena, fahasalamana, fanabeazana, fampandrosoana maharitra, ny lalàna, fitantanana ara-panjakana, fampidirana amin’ny sehatry ny asa sy ara-tsosialy, fiadiana amin’ny fitovian-jo, herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy, fanamaivanana ny fiovan’ny toetr’andro, fanavaozana sy nomerika, sns.
Ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena afaka mirotsaka ho fantenana (fikambanana ambanin’ny lalàna malagasy ) dia antsoina mba haka ny rijan-teny hahalalana ny fomba fisoratana anarana ary hametraka fangatahana famatsiam-bola amin’ny fomba elektronika alohan’ny 15 septambra 2021 (06 ora hariva oran’i Madagasikara) amin’ny fampiasana ny maodely atolotra ao(fangatahana, teti-bola, ny rafitra mirindra, ny kisary ara-potoana).
Ankoatr’ireo tanjona fanatsarana ny fari-piveloman’ny vehivavy sy ny fahaleovantenany ho amin’ny fandraisana anjara mavitrika kokoa eo amin’ny fiaraha-monina, hojerena manokana ny :
Raha misy fanontaniana fanampiny sy ho fametrahana ny antonta-taratasinao alohan’ny 15 septambra 2021 (06 ora hariva oran’i Madagasikara) dia iangaviana ianao hanoratra amin’ity mailaka ity irery ihany : formulaire-scac.tananarive-amba@diplomatie.gouv.fr ary hanamafy ao amin’ny antony : PISCCA 2021 – anaran’ny fikambanana .
Alaivo eto ireto antontan-taratasy ireto :