Pejy faneva

Mission Economique et Commerciale/Iraka ara-toe-karena sy ara-barotra

Ny OIF dia mikarakara  iraka ara-toe-karena sy ara-barotra  ny   11 hatramin’ny 20 oktobra 2021, miaraka amin’ireo manampahefana avy ao Vietnam sy Cambodge, ary koa ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpikirakira teknika, misy dingana telo izany :
1. HÔ CHI MINH-VILLE, 11-13 oktobra 2021
2. HANOÏ, 14-16 oktobra 2021
3. PHNOM PENH, 18-20 oktobra 2021

Hitarika io iraka io i  Louise Mushikiwabo, Sekretera jeneralin’ny Frankôfônia , ary handrafitra izany ny mpandraharaha ara-toe-karena  sahabo ho 70 sy ny fikambanana miteny frantsay avy any Afrika, Amerika avaratra, Eoropa andrefana ary ny Ranomasimbe Indiana.

Ho afaka hiaraka hitrandraka tsena miaraka ireo mpandray anjara, hiresaka momba ny raharaham-barotra ary hifandray amin’ny mpandraharaha ara-toe-karena avy  eto an-toerana mihoatra ny 350, ao amin’ny sehatry ny fanodinana ara-tsakafo, ny angovo azo avaozina ary ny entam-barotra sy tolotra nomerika, ao Vietnam sy Cambodge.

Ho an’ny fanazavana fanampiny rehetra, afaka antsoinao ny mpikarakara amin’ny mailaka: missions-economiques@francophonie.org
https://missions-economiques-francophonie.wikiflow.io/fr

wpChatIcon