Pejy faneva

19th Micro-grid Academy Edition

Misokatra izao ny fisoratana anarana momba ny  famoahana faha 19 amin’ny  Micro-Grid Academy . Voalohany eo ami’ny tantaran’ny MGA, ity famoahana ity dia natolotra ho an’i Afrika Atsimo , ary , noho izany antony izany, niaraha-nanomana tamin’ny  SADC Centre for Renewable Energy and Energy Efficiency (SACREEE), mpiara-miombon’antoka amintsika eto an-toerana, South African Renewable Energy Technology Centre (SARETEC) ary ny  Energy & Water Sector Education Training Authority (EWSETA)izy ity .

Ny fiofanana mandritra ny faran’ny herinandro dia atao ny The week-long 20 hatramin’ny 24 Septambra 2021, mifantoka amin’ny lohahevitra manokana mifandray amin’ny fitaovana madinika  mampiodina angovo toy ny tambazotra fanapariahana herinaratra , maritrano ara-teknolojia , ary ny rafi-pitantanana.

Mpampiofana avy ao amin’ny  RES4Africa stakeholders sy MGA partners no handray anjara ao , izy ireo izay voasokajy ho matihanina momba ny rojon-tsandan’ny angovo azo avaozina, fampianarana ambony, ary amin’ny maha  teknisiana azy eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena . Amin’ny alalan’ny raki-tsary mandritra ny ora 3 -4 isanisany no hanatrehan’ny mpianatra ny fiofanana ary afaka mahazo fampiharana voalohanyizy ireo momba ny fanomezana angovo miaraka amin’ny fampitahana ara-teknika sy ara-toe-karena . Atolotra ho azy ireo amin’ny faran’ny fiofanana ny fanamarinana isan’olona.

Mila mameno ny fisoratana anarana izay te handray anjara , miaraka amin’ny CV, taratasy maneho ny fahavononana, ary mila manaiky ny fepetra takianay. Mila mandefa mailaka fampahafantarana ao amin’ny  info@microgridacademy.org.  Raha mila fanampim-panazavana ,  jereo ny fisoratana anarana feno .

Faran’ny fisoratana anarana : 25 Aogositra 2021, amin’ny 12.00 p.m. SAST

Misokatra ho an’ny mpandray anjara avy amin’ny Faritra Atsimon’i Afrika ny fisoratana anarana.

rohy

wpChatIcon