Pejy faneva

MASTER CLASS ENTREPRENEURIAT A TAMATAVE/ MASTER CLASS FANDRAHARAHANA AO TOAMASINA

Manana hevitra amin’ny tetikasa na fanorenana orinasa ve ianao? Saingy tsy hainao oe aiza no hanombohana azy?
Mpianatra koa ve ianao na mpianatry ny oniversite hanomana  Master 2 farafahamboniny?
Ny fandaharan’asa  Fandraharahana ao amin’ny Sampandraharaha Fiaraha-miasa sy asa ara-kolotsaina eo anivon’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara dia hikarakara ny 04 hatramin’ny 08 oktobra 2021, ny MASTER CLASS FANDRAHARAHANA  mitondra ny lohahevitra hoe:  “AGRI – BUSINESS” ao amin’ny Alliance Française ao Toamasina.
Ny mpandray anjara dia voafetra ho 22 ary ho hajaina ny fepetra ara-pahasalamana rehetra.
Ny Master Class  dia fanofanana fototra  hanomezana ny torohevitra momba ny tetikasa sy ny fampandrosoana ny fomba fandraharahana  ho an’ireo mpianatry ny oniversite.
Ka inona no andrasanao hahafahanao misitraka izany  ?
Araho ireto dingana ireto raha hisoratra anarana :
1 – Misorata anarana dieny androany amin’ny hafatra manokana na antsoy ny 034 29 002 53  satria ny fisoratana anarana dia an-tserasera fotsiny ihany alohan’ny zoma 01 oktobra 2021 amin’ny 4 ora.
2 – Aorian’izany, arotsahy ny fandraisanao anjara  (20.000 isan’olona) ao amin’ny 034 29 002 53 (ianareo no mandoa ny vola  hakana azy ).

3 – Rehefa vita ny fanamafisana ny fisoratanao anarana dia alefao aminay ny momba anao amin’ny alalan’ny famenoana tsara ity  antontan-taratasy manaraka ity : https://airtable.com/shrRgAVaHAhhPxV1g

4 – Hamafisinay aminao ny  fisoratanao anarana .
5 – ny oran’ny fiofanana dia amin’ny 08 hatramin’ny 05 ora isan’andro
Izahay no miantoka ny sakafo ary ny fandraisana anjara dia natao ho 20 000 Ariary isan’olona (ho an’ireo 05 andro ireo)
Mpikarakara: https://www.facebook.com/ProgrammeEntrepreneuriatSCAC
wpChatIcon